Mpitarika (1/3)

– Ry tapaka sy namana, rehefa nandre ny teninareo tsirairay avy aho, dia mangataka aminareo aho izao mba hiaino ahy. Ireo dinidinika sy hevitra rehetra tapatsika dia tsy vahaolana mihitsy raha toa ka mbola mijanona eto amin’ity tany ngazana ity ihany isika. Tsy nisy na inona na inona naniry teto amin’ity tany mamasika sy feno vato ity, na dia tamin’ny vanim-potoana be orana aza, na dia mba nanantena mafy tamin’ity hain-tany tsy manam-paharoa ity aza.

Mandrak’oviana no mbola hivoriantsika sy hitenenantsika maina tahaka izao? Ny biby fiompy maty noho ny hanoanana, ary afaka kelikely koa isika sy ny zanatsika dia ho fatin’ny kere. Mila vahaolana hafa tsara dinika sy mandaitra tokoa isika. Raha ny hevitro dia ny mety indrindra dia ny mandao ity tany karankaina ity ka mitady tany hafa mahavokatra kokoa satria tsy afaka ny hiaina toy izao intsony isika.

Koa mponina avy tamin’ny faritra ngazana iray no sendra nandray fitenenana tamin’ny feo marefo nandritra ny fivoriana.

Taiza sy oviana no tsy nahakasika ahy sy ianao izany, hoy aho tato an-tsaiko. Mba matokisa ahy ianareo fa efa nitranga izany tany ho any, tany aloha tany. Ampy izay. Raha ny tena marina, nisy fotoana aho nihevitra fa noforoniko avokoa izany tantara rehetra izany, kanefa niala tsikelikely tamin’izany fahadisoan-kevitra izany ihany aho. Ankehitriny aho dia mino mafy fa izao zava-mitranga izao dia efa nisy tany ho any, nisy fotoana.

Ny endrik’ireto mpihaino toa hatsatra sy trotraka, ny fijerin’izy ireo toa variana, manjombona, babangoana, ny tanany am-balahana. Tampoka teo toa nahazo aim-baovao raha nahare izany tenim-pahendrena izany. Ny tsirairay efa nihevitra sahady fandrao azon’ody, toa efa mahita sahady ny voka-be ho azo avy amin’ny fikelezan’aina amin’ny asa.

– Marina izany! Marina izany! – hoy ny rehetra samy nibitsibitsika, ny feo efa reraka.

– Eto amin’ny ma…no…didina eto ve izany? – hoy ny iray tamin’ireo ningonongonona.

– Ry havako! – hoy ny iray hafa tamin’ny feo mahery. – Mila manaraka izany torohevitra izany isika dieny izao satria tsy afaka ny hiaina tahak’izao intsony. Efa nikely aina isika, nitoro vatana, kanefa zava-poana avokoa ireny. Ny voa nafafitsika, azo nampiasaina natao sakafo, kanefa noraofin’ny tondra-drano avokoa na ny voa na ny tany, ankehitriny vato karankaina no sisa tavela. Tokony hijanona eto mandrakizay ve isika, hiasa maraina mandrak’alina, kanefa mbola miaina anaty kere sy mitanjaka ihany? Mila manainga isika ary mitady tany tsara sy mahavokatra kokoa, mba ho afaka misitraka ny asatsika.

– Andao e! Andao dieny izao fa tsy azo hiainana intsony ity toerana ity!

Ningonongonona ny olona, samy nandeha, tsy nahafantatra akory izay halehany.

– Andraso, ry havako! Handeha ho aiza ianareo? – hoy ilay tompon-teny voalohany. – Marina fa mila mandeha isika, fa aoka mba tsy ohatr’izao. Mila mahafantatra ny tany haleha isika. Raha tsy izany mety ho loza noho izao no hivantanana raha injay te hanavo-tena isika. Manana soso-kevitra aho, andeha hifidy mpitarika iray hotoavintsika sy hanoro antsika ny mety sy tokony hatao.

– Andao hifidy! Andao hifidy olona iray dieny izao, – izany no feo nandredona eran’ny trano.

Samy naneho hevitra teo avokoa, korontana re izany e. Samy niteny, tsy mba nisy nihaino akory tanatin’ny tabataba. Nanomboka nitsitokotoko ny olona, samy nimonomonona irery teo, aveo nisaraka ny andian’olona. Nanomboka nitafatafa tsiroaroa indray, sady mifamihina, miresaka, miezaka manamarina ny heviny, misintona ny namany sady mampangina azy. Avy eo nitambatra daholo indray, sady miresaka ihany.

– Ry rahalahy isany! – hoy ny mpivory iray tamin’ny feo entitra. Tsy hahato na inona na inona isika amin’izao fomba izao. Samy miteny daholo kanefa tsy misy mmohaino. Andeha hifidy mpitarika! Iza amintsika ireto no afaka hofidiana? Iza no efa nandia tany maro ka mahay lalana tsara? Samy efa mifankahafantatra tsara daholo isika, kanefa izaho manokana ara, tsy mahasahy hanankina ny tenako sy ny fianakaviako amin’ny fitarihan’olona iray amintsika ireto. Fa kosa, mba lazao ahy hoe iza amintsika no mahalala iry olona mipetraka eo amin’ny alokaloka amoron’arabe hatramin’ny maraina, efa nitsidika tany maro izy io?

Ngina ny trano. Nitodika tany amin’ilay mpivahiny avokoa ny olona, sady nandinika azy antrany an-tampondoha ka hatrany am-paladia.

Olona lehibe taona, matotra. Ny tarehiny zara raha hita noho ny volombavabeny sy ny volony lava dia lava. Mipetraka mangina, lasa vinany, sendra mikapokapoka ny tahony amin’ny tany tsindraindray.

_ Omaly io lehilahy io hitako niaraka tamina tovolahy tanora. Nifampitantana izy roa teny an-dalana. Omaly alina, lasa ilay tovolahy nandao ny tanana, rangahy io kosa nijanona teto.

– Ry namako isany, aleo tsy avoana aloha ny resatsika mba tsy hanariana fotoana be loatra. Na iza na iza izy, lavitra no niaviany mialohan’ny nahafantarantsika azy, ary mety mahafantatra ny lalana tsara indrindra itarihana antsika izy. Raha ny fijeriko dia olona hendry sy be fahalalana izy matoa mipetraka mangina sy lasa fisainana eo. Raha olona hafa izao iny dia efa niditra tamin’ny resatsika na niara-nitafatafa tamintsika teto, fa izy kosa nipetraka teo foana tsy niteny na inona na inona.

– Tena marina izany, mipetraka irery eo io rangahy io satria mieritreritra tokoa. Tsy misy ankoatr’izay, tena marani-tsaina be izy – hoy ny rehetra nanohy, sady nandinika ity vahiny. Samy nahita sori-pahaizana teny aminy avokoa ny tsirairay, mariky ny fahiratan-tsainy.

– Toy izay ihany dia tapaka ny hevitra fa ny mety indrindra dia ny manontany ity vahiny – izay, ho an’izy ireo, dia efa irak’Andriamanitra hitarika azy ireo ho any amin’ny tany vaovao mahavokatra kokoa. Izy no ho mpitarika ary ny vahoaka kosa hiaino sy hankato azy tsy misy ady varotra.

Nofidiana ny lehilahy folo tamin’izy ireo handeha hiresaka amin’ity vahiny sy hanazava azy ny fanapaha-kevitry ny rehetra mikasika azy. Indro fa hambara aminy avokoa ny toe-javatra iainan’ny vahoaka ary hangatahina izy mba ho mpitarika azy ireo.

Indro ara ireo lehilahy folo vatana nanantona ity vahiny moramora sady niondrika ho fanajana azy. Nanazava ny momba ny tany karankaina eo amin’ny faritra, ny hain-tany sy ny fahantrana iainan’izy ireo ny iray. Ary nofaranany hoe:

– Noho izany toe-javatra izany dia voatery izahay handao ity faritra ity, ny fonenana sy ny tany ivelomana. Handeha hitady ravin’ahitra any an-tanin-kafa. Vao eo izahay no samy niaiky, fa toa namindra fo anay Andriamanitra, ka nandefa anao tety aminay – ianao, vahiny hendry sy feno fahamendrehana tokoa – ary mba hitarihanao anay hiala ity fahantrana iainanay ity. Amin’ny anaran’ny mponina rehetra eto no angatahiko aminao mba ho mpitarika anay. Na aiza na aiza no mety halehanao, hanaraka anao izahay. Ianao mahay làlana ary mety ho tany maitso mavana no nahalatsa-tavony anao. Hiaino anao izahay ary hankato ny baikonao. Mba sitrakao ve, andriamatoa, ny hanavotra ireto ain’olona marobe ireto amin’izay loza iainany? Manaiky ny ho mpitarika anay ve ianao?

Nandritra izany teny fiangaviana izany dia tsy mba nitraka akory ity vahiny. Tsy nihetsika mihitsy izy izay fotoana rehetra izay. Nitanondri-doha izy, niketrona ary tsy mba niloa-bava. Tsindraindray izy nikapokapo-tany tamin’ny tehiny sady – mieritreritra. Rehefa tapitra ny teny, dia nimonomonona tao ity vahiny sady tsy mihetsika akory:

– Ho ataoko izany!

–Afaka miaraka aminao ve izany izahay mba hitady toerana tsaratsara kokoa?

– Tsy maninona! – hoy izy, mbola tsy mitraka ihany.

Velom-panahy sy naneho hafaliana avokoa ny olona, ilay vahiny kosa tsy niteny intsony indray.

Nampilaza ny vaovao tsara ireo lehilahy folo, sady nanambara ny tena fahendren’ity rangahy ity araka ny tsinjon’izy ireo.

– Tsy mba nihetsika tamin’ny toerany akory izy, na nitraka mba hijery izay miresaka aminy. Nitoetra mangina teo izy sady nandinika lalina. Teny kely dia kely no navaliny ny resakay sy ny fankasitrahanay.

– Olon-kendry tokoa! Fahiratan-tsaina miavaka! – hoy izy ireo. Nambarany teo fa Andriamanitra tokoa no nandefa ity anjely avy any an-danitra ity mba hanavotra azy ireo. Samy resy lahatra avokoa ny olona fa azo antoka ny fahombiazana miaraka amin’ity mpitarika ity. Ary tapaka teo fa hiaraka hanaingy ny ampitso vao mangiran-dratsy.

(pejy manaraka)

Ознаке:, , , , , , , , , , , , , , , , , , , ,

About Домановић

https://domanovic.wordpress.com/about/

Оставите одговор

Попуните детаље испод или притисните на иконицу да бисте се пријавили:

WordPress.com лого

Коментаришет користећи свој WordPress.com налог. Одјавите се /  Промени )

Слика на Твитеру

Коментаришет користећи свој Twitter налог. Одјавите се /  Промени )

Фејсбукова фотографија

Коментаришет користећи свој Facebook налог. Одјавите се /  Промени )

Повезивање са %s

%d bloggers like this: