Ilay tombo-kavatsa

Nanofy ratsy aho. Tsy dia voadiniko loatra ilay izy, kanefa manontany tena hoe ahoana no nahavitako nanofy ratsy toy izany, izaho izay olom-banona, zanaka mendrika an’i Serbia reny malala, toy ny zanany  hafa rehetra ihany. Raha tena niavaka aho, dia mety ho hafa ny zava-nitranga. Kanefa tsy izay, ry hava-malalako, toy ny olon-drehetra ihany aho, raha resaka fitandremana kosakosa dia tsy misy toa ahy angamba. Indray andro aho nahita bokotra miaramila latsaka teny an-dalana. Nibanjina azy nangirana ery aho, efa saika nodinganiko ihany ilay izy, tamin’ny fahatsoram-po tanteraka. Tampoka teo anefa, nangovitra ny tanako ka nanao mari-panajana; nanondri-doha tsy nahy aho, ary nitsiky toy ireny mifanena amin’olona manan-kaja ireny.

– Olona mihaja tokoa aho – izay no izy! – Izay no tao an-tsaiko tamin’izay fotoana izay ary nanao fijery havonavona tamin’ilay mpandalo adala niondrika naka ilay bokotra.

– Adala! – hoy aho niteny mafy azy sady nandrora, avy eo nandeha moramora, nihevitra fa mba vitsy ny tsy manan-tsaina toy ireny; ary tena faly aho fa nomen’Andriamanitra fo madio sy anjananjana, ran’andriana nolovana avy tamin’ny razambeko.

Izay, hitanao amin’izay ny maha olona tsara ahy, tsy mba hafa amin’ireo olom-pirenena manan-kaja rehetra, ary mety hihevitra ianao hoe inona ara izany zavatra maharikoriko nitranga tanaty nofiko izany.

Tsy dia nisy zavatra nihoatra ny mahazatra nitranga tamiko tamin’izay andro izay. Nisakafo tsara aho, ary aveo nisikotra nify teo am-pipetrahana; nisotro ny divaiko, ary naka fy ny zoko amin’ny maha olom-pirenena ahy, nandeha namonjy fandriana aho ary naka boky iray mba hahatongavan’ny torimaso haingana.

Nilatsaka tamin’ny tanako ilay boky, rehefa tanteraka ny fikasako, vita ny adidiko rehetra, dia tafatory aho toy ny ondry tsy manan-tsiny.

Tampoka teo dia nahatsiaro teny ho tamina lalana tery sy be fotaka aho, mitondra mankany an-tendrombohitra ilay lalana. Ny alina maizina sy mangatsiaka. Ny rivotra mitsoka eny anelanelan’ny tahon-kazo dia toy ny hareza aha sendra mandalo hoditra. Ny lanitra maizina, moana, mampatahotra, ny oram-panala toy ny vovoka, miditra anaty maso ary mameno ny tava. Tsy nisy zava-manan’aina mihitsy teo. Nihazakazaka aho, nibolisatra tamin’ity lalana namotaka, niankavia, niankavanana. Nangozohozo aho ary farany nianjera ka very lalana, nirenireny – Andriamanitra mahalala – tsy mba alina fohy, toy ny mahazatra, fa tena toy ny zato taona, ary izaho nandeha teny foana tsy nahalala izay nombana akory.

Nandeha teny aho aman-taonany maro, ary tonga tamina toerana iray, lavitra tena lavitra ny taniko, toerana hafahafa izay mety tsy misy mpahalala akory angamba ity, tsy fahita raha tsy anaty nofy.

Niriaria tamin’ilay tany nahatongavako aho ka tonga tamina tanana lehibe iray izay be mponina tokoa. Tonga teo amina tsena be iray hiboka olona, feno tabataba tsy hay leferina namaky sofina. Niditra ankany iray aho ka nanontany ilay tompon-trano ny antony nampivory olona marobe toy izao.

– Olona milamina sy mihaja izahay, – hoy izy nanomboka ny tantarany, – olona mahatoky sy mpankatò ny governora.

– Ny governora ve no mpandidy faratampony? – Hoy aho, nanapaka ny teniny.

– Ny governora no mandidy sy manana ny fahefana farantampony; ny mpitandro filaminana manaraka azy

– Fa maninona ianao no mihomehy?… Tsy fantatrao angaha?… Avy aiza ianao?

Nolazaiko azy fa very lalana aho, ary avy tamina tany lavitra – Serbia.

– Efa henoko izay firenena malaza izay! – hoy izy tamiko, sady nijery ahy tam-panajana, avy eo niteny tamin’ny feo mahery hoe:

– Ito no lalantsika, – sady nandeha izy, – ny governora no manjaka eto miaraka amin’ny mpitandro filaminany.

– Toy ny ahoana ny mpitandro filaminanareo?

– Izany hoe, misy karazany maro ny mpitandro filaminana – miovaova arakaraky ny gradiny. Misy ireo tena manam-boninahitra ary misy ireo mahazatra… Izahay izany, hitanao, olona milamina sy manan-kaja, fa avy amin’ny manodidina no misy ireo karazan’olona mpanakorontana rehetra, mamadika ny sainay izy ireo ary mampianatra anay zava-dratsy. Mba hanavahana ny olom-pirenenay amin’ireo olona ireo dia namoaka didy ny governora omaly fa ireo olom-pirenena rehetra dia mila mandalo fitsarana avokoa, any no hasiana tombokavatsa ny lohanay rehetra. Izay no nampivory ireo olona marobe ireo: mba hifampidinika amin’izay hatao.

Nangovitra aho ary nihevitra ny hitsoaka an’ity tany vahiny ity farak’izay haingana, satria izaho, izay teratany serbianina, tsy mba zatra fahasahiana be tahak’ izao. Tora-kovitra aho ny amin’izany!

Nihomehy ilay tompon-tany, sady nikapokapoka ny sandriko, ary nilaza tamim-pihavonavonana hoe:

– Ah, ry vahiny, izay fotsiny ve dia maha saro-tahotra anao? Tsy mahagaga raha mbola lavitr’ezaka ny hahazoanao fahasahiana tahaka ny anay.

– Inona no ho ataonao? – hoy aho menamenatra ery.

– Izato fanontanianao! Ho hitanao ny fahasahianay. Mila ezaka be vao hanana fahasahiana toy ny anay ianao, izaho no milaza aminao. Nandia tany lavitra ianao ary nahita ny tany, fa mino aho fa mbola tsy nahita olona be herim-po tahaka anay ianao. Andao hiaraka ho any isika. Mila mailamailaka.

Efa saika handeha izahay, efa teo anolohan’ny varavarana, no injay naheno karavasy.

Nitsamboatra aho nijery: nisy raha hojerena tokoa manko – lehilahy iray feno taratra hazavana, manao satro-miaramila, ny akanjony mamirapiratra, nentina teo an-damosin’olona manao akanjon’olon-tsotra mihaja. Nijanona teo alohan’ny ankany izy ary nidina ilay olona nentina.

Nivoaka ny tompon-trano ary niankohoka tamin’ny tany, ilay lehilahy niakanjo mihaja kosa niditra ny ankany ary nanatona latabatra efa voamboatra. Ilay nanao akanjo tsotra nijanona teo alohan’ny ankany ary niandry teo. Niankohoka teo anatrehany koa ilay tompon-trano.

– Inona izao rehetra izao? – hoy aho mantsy ilay tompon-trano, very hevitra tanteraka.

– Ilay iray niditra ny ankany dia mpitandro filaminana manam-boninahitra, ary iry iray iry kosa dia anisan’ireo olom-pirenena manan-kaja indrindra, manan-karena, ary tia tanindrazana, – hoy ilay tompon-trano nibitsibitsika.

– Koa fa maninona no baben’ny iray ny iray?

Nanifi-doha ilay tompon-trano ary nihisaka kely. Nitsikitsiky tamiko izy ary nilaza hoe:

– Voninahitra lehibe ho anay ny toy izany, tena mahalana! – Nanambara zavatra maro tamiko izy, kanefa tena tsindrin-daona aho ka tsy arako akory izay nolazainy. Henoko mazava ihany anefa ny nolazainy tamin’ny farany: – fanompoana firenena izay mbola tsy nianaran’ny firenena hafa izao!

Tonga tany amin’ny fivoriana izahay, efa nanomboka ny fifidianana ny mpitari-draharaha.

Ilay vondrona voalohany nanohana lehilahy iray antsoina hoe Kolb, raha tsy diso ny fitadidiko anarana, ho kandidàny; ilay faharoa kosa nanohana an’i Talb, ary ny fahatelo nanana ny kandidàny manokana.

Nisy fifanjevoana nampatahotra; samy nanohana ny azy ny vondrona tsirairay.

– Mihevitra aho fa tsy manana olona tsara noho i Kolb isika ho an’io anjara toerana io amina fivoriana lehibe tahak’izao, – hoy ny feo avy tamin’ny vondrona voalohany, – satria isika samy mahalala ny hatsaran-toetrany amin’ny maha olom-pirenena azy sy ny herim-pony. Tsy misy angamba olona hafa amintsika ireto afaka milaza fa efa nibaby olona manan-kaja matetika teto…

– Iza no lazainao amin’izany, – hoy ny hafa avy amin’ny vondrona faharoa. – Tsy mbola nibaby mpitandro filaminana vao akory ianao!

– Fantatray ny toetranao, – hoy ny hafa avy tamin’ny vondrona fahatelo. – Tsy afaka ny hizaka kapoka karavasy iray akory ianao raha tsy midradradradra!

– Aleo hahitsintsika izy ity ry havana! – hoy i Kolb. – Marina fa efa nilanja olona manan-kaja maro aho folo taona lasa izay; nikaravasy ahy ireo ary tsy mba nitomany akory aho, kanefa tsy milaza izany fa tsy misy hafa mendrika ato amintsika. Mety hoe ny tanora koa aza.

– Tsia, tsia – hoy ny mpanohana nihiaka.

– Tsy mila voninahitra lany andro izahay! Efa folo taona izay no nibaben’i Kolb, – hoy ireo feo mitabataba avy amin’ny vondrona faharoa.

– Ra tanora no maka toerana, aoka ny alika antitra hitsako taolana, – hoy ny hiakan’ireo avy amin’ny vondrona fahatelo.

Tampoka teo dia tsy nisy feo intsony; nihemotra ny olona rehetra, ankavia sy ankavanana, nanome lalana ary indro aho nahita tovolahy iray teo amin’ny telopolo taona teo ho eo. Niankohoka avokoa ny rehetra izay nandalovany.

– Izy no iza? – hoy aho mantsy ny tompon-trano.

– Izy no mpitarika. Lehilahy tanora, kanefa misy andraindraina. Tamin’ny fahatanorany, tena nirehareha izy fa efa nibaby ny governora in-telo. Izy no olona malaza indrindra.

– Mety hifidy azy ireo? – hoy aho nanontany.

– Tena azo antoka izany, satria ny amin’ireo kandidà sisa – antitra kokoa, efa dilan’ny andro, ity iray ity kosa anefa vao omaly no nibaby ny governora.

– Iza no anarany?

– Kleard.

Nanome toeram-boninahitra ho azy ny olona.

– Raha ny hevitro, – hoy i Kolb namaky ny ngina, – tsy hahita olona mendrika ity toerana ity noho i Kleard isika. Tanora izy, kanefa tsy misy sahala azy isika efa zokiny ireto.

– Henoy, henoy!… ho ela velona anie i Kleard!… – hoy ny feo nanako.

Nametraka azy teo amin’ny toeran’ny mpitari-draharaha i Kolb sy Talb. Samy nihankohoka ny rehetra, ary ngina ny toerana.

– Misaotra anareo ry havana, ny amin’ny fanajana sy voninahitra atolotrareo ahy. Ny fanantenanareo, izay miankina amiko ankehitrina, dia mandrobo mihitsy. Tsy moramora ny mitarika ny fanirian’ny firenena amin’ny vanim-potoana toy izao, kanefa hanao izay vitako aho hanatanteraka ny fanirianareo, haneho an-kitsim-po ny hevitrareo, ary mba ho mendrika izato fanajana atolotrareo ahy izato. Misaotra indrindra, ry havana, ny amin’ny nifidiananareo ahy.

– Oe! Oe! Oe! – hoy ireo mpifidy avy amin’ny lafiny rehetra.

– Ankehitriny ry havako isany, mamelà ahy ianareo handray fitenenana kely amin’ity fotoana lehibe ity. Tsy moramora ny misedra fanaintainana, jaly toy izay miandry antsika; tsy mora ny hananana tombo-kavatsa apetaka amin’ny vy mamay eo an-tampon-kandrina. Indrindra, tsia – fampijaliana izay tsy afaka hiainan’ny olona rehetra izany. Aoka ny kanosa hangovitra, aoka izy ireo ho hatsatry ny tahotra, fa aoka tsy hadinoitsika velively fa mahery fo ny razambentsika, ra manan-kaja no mikoriana ato anatintsika, ra mahery fo avy amin’ireo dady, ireo mpitolona vonona ny ho faty ho an’ny fahalalahana sy ny soa iombonana, ny taranany. Mafy ny fahoriantsika, kanefa azonareo an-tsaina ve ny fahoriana nianan’izy reio – koa hanao tahaka ny taranaka simba sy kanosa ve isika ankehitriny mba hiaina fianana tsaratsara kokoa ankehitriny? Ny tia tanindrazana, izay rehetra tsy te hahamenatra ny fireneny eo imason’izao tontolo izao, dia mila mizaka fahoriana toy ny tena lehilahy, mahery fo.

– Derao! Derao! Ho ela velona anie i Kleard!

Nisy mpitondra teny maromaro taorian’i Kleard; nankahery ireo olona natahotra izy ireo ary namerimberina ny tenin’i Kleard ihany.

Nisy antidahy iray, efa feno ketrona, fotsy volo sy volom-bava, nangataka fitenenana. Ny lohaliny efa mihovitrovitra noho ny taonany, ny tanany mangovitra, ny lamosiny mivokona. Ny feony mila tsy ho re, ny masony feno ranomaso.

– Anaka, – hoy izy latsa-dranomaso, – efa trotraka aho ary hody ho razana tsy ho ela, kanefa mihevitra aho fa tsy tokony hanaiky fanalam-baraka toy izao hianjady aminareo ianareo. Zato taona aho, ary nandritra ny androm-piainako manontolo dia tsy mba nisy tombo-kavatsa izany!… Nahoana ny mariky ny fanandevozana no hapetaka eo amin’ny handriko fotsy sy reraka ankehitriny?…

– Aoka izay izany ry ngahibe ah! hoy ny mpitari-draharaha.

– Aoka izay! – hoy koa ny hafa.

– Antidahy kanosa!

– Mampatahotra ny rehetra indray no ataony fa tsy mankahery ny tanora!

– Mba menatra amin’ity volonao efa fotsy! Efa ampy izay niainany izay, dia mbola matahotra ihany izy – isika tanora sahy kokoa…

– Aoka izay ny kanosa!

– Avoahy izy e!

– Aoka izay!

Fokonolona mahery fo tezitra, tanora tia tanindrazana niara-nidodododo teny amin’ity antidahy, nanosika, nisintona sy nandaka azy tamim-pahatezerana.

Navelan’izy ireo ihany izy ny farany noho ny taonany efa mandroso – raha tsy izany mety efa voatora-bato angamba.

Samy nanome toky izy rehetra fa ho sahy ny ampitso ka haneho ny fahamendrehan’izy ireo amin’ny voninahitra sy ny lazan’ny fireneny.

Samy niala ny fivoriana tamim-pilaminana ny olona. Nandeha ny resaka:

– Rahampitso no hahitantsika hoe iza no iza!

– Hosinganina rahampitso ny mpirehareha!

– Efa tonga ny fotoana hiavahan’ireo tena mendrika amin’ny tsy mendrika, tsy afaka ny hiseho ho mahery fo intsony ireo kanosa!

Niverina tao amin’ny ankany aho.

– Hitanao ve ny mampiavaka anay? – hoy ilay tompon-trano nanontany tamin’ny fireharehana.

– Tena hitako mihitsy, – hoy aho namaly ho azy, nahatsiaro tsy nisy hery intsony, nisy fahatsapana tsy azoazoko nameno ny lohako.

Tamin’iny andro iny ihany no nahitako tanaty gazety lahatsoratra toy izao:

– Ry vahoaka, fotoanany izao hanatsaharana ny fireharehana mamitaka sy ny bohy eto amintsika; fotoanany izao hanatsaharana ny fampiderana hevi-poana izay mampiseho ny toetra tsara sandoka. Tonga ny fotoana, ry vahoaka, hitsapana ny tenitsika ary hanehoana izay tena mendrika na tsia! Ary mino isika fa tsy misy kanosa mahamenatra eto anivontsika izay hoentina an-katerena eny amin’ny toerana fametahana tombo-kavatsa. Izay rehetra amintsika mahatsapa fa mikorina ao anatiny ny rà maherin’ny razantsika no hiady toerana ho voalohany hizaka ny fahoriana, amin’ny hafaliana sy fahanginana, ho amin’izany fijaliana masina izany, sorona hahasoa ny firenentsika sy fifanampiantsika tsirairay avy. Andeha, ry vahoaka, rahampitso ny fotoanan’ny fitsapana lehibe!…

Nandeha natory ilay tompon-trano vao vita ny fivoriana mba hahafahany tonga aloha eny amin’ny toerana hivoriana ny ampitson’iny. Maro rahateo no tonga dia namantana tany Tranopokonolona mba hanatonana ny fiandohan’ny filaharana.

Ny ampitson’iny dia mba nankany amin’ny Tranopokonolona koa aho. Teo daholo ny olona rehetra – tanora sy antitra, lahy sy vavy. Nisy reny sasany nitondra zaza teo an-trotroana hasiana ny mariky ny fanandevozana, izany dia mba hahazoany voninahitra, ary hahazoany toerana ambony kokoa amin’ny asam-panjakana.

Tosika sy fianihanana no tao (amin’izany izy ireo nanakaiky anay serbianina kokoa, faly amin’izay ihany aho), samy niezaka ny ho lohalaharana ny rehetra. Ny sasany moa misitona amin’ny vozona mihitsy.

Mpiasam-panjakana iray manao akanjo bolozy mihaja fotsy no mametaka ny tombo-kavatsa. Mimenomenona ireto vahoaka be izy:

– Aza mandreondreona moa e, tahin’Andriamanitra, samy hanana ny anjarany av – tsy biby ianareo akory, mino aho fa afaka milahatra tsy mifanosika.

Nanomboka ny fametahana tombo-kavatsa. Nisy ny nitomany, tao ny nisento, samy afaka niaritra azy avokoa anefa ny rehetra, tsy nikiakiaka, nandritra ny nijanonako teo.

Tsy afaka nanatrika io fampijaliana io intsony aho, ka niverina tany amin’ny akany, ny sasany tamin’izy ireo efa tao , nihinana sy nisotro.

– Vita izay iny! – hoy ny iray.

– Tsy tena nikiakiaka akory isika, fa i Talb no nitabataba toy ny ampondra!… – hoy ny iray hafa.

– Hitanao izay ny toetran’i Talb, izay ianao dia te hisafidy azy ho mpitari-draharaha tamin’ny fivoriana omaly.

– Ah, tsy hay anie izany e!

Nitafatafa teo ry zareo, nisento noho ny fanaintainana, kanefa samy niezaka ny nanafina izany tamin’ny hafa, samy menatra ny hoheverina ho kanosa daholo.

Kleard aza nanala baraka ny tenany, satria nisento izy, ary lehilahy iray antsoina hoe Lear no lasa mahery fo satria nangataka ny hananana tombo-kavatsa roa amin’ny handrina izy ary tsy mba nitaraina. Ny tanàna iray manontolo niresaka azy sy nankalaza azy.

Nisy ny nitsoaka, kanefa namavoan’ny olona.

Andro vitsivitsy taty aoriana dia nanao fandeha fihebohebo sy fireharehana ilay nanana tombo-kavatsa roa. Feno laza sy havonavonana izy na aiza na aiza alehany, ny olona rehetra niankohoka sy nanala satroka ho fanajana ity mahery fo vaovao.

Lehilahy, vehivavy, ankizy nihazakazaka nanenjika azy mba hijery ny lehilahy maherin’ny firenena. Amin’izay rehetra alehany dia mandeha ny bitsibitsika feno fahabanjinana: “Lear, Lear!… Izy iny!… Izy no mahery fo tsy nidradradradra, tsy nahaloaka feo tamin’ny fametahana ny tombo-kavatsa roa teo amin’ny handriny!”. Nameno ny gazety ny anarany, feno laza sy voninahitra.

Ary mendrika ny fitiavan’ny vahoaka izy.

Nameno ny toerana ny lazany, nanomboka nahatsiaro ilay ra serbiana antitra sy feno haja mikoriana ato anatiko aho, Ny razambentsika dia mahery fo, nohombohina sy niharitra tsatoka ho an’ny fahalalalahana; isika koa dia manana ny lasantsika feno fahasahiana sy ny Kosovo. Nangitakitaka ery noho ny fireharehana, maika haneho ny fahasahian’ny fiaviako, hihazakazaka sy hikiakiaka hoe:

– Fa maninona ianareo no midera an’i Lear?… Tsy mbola nahita mahery fo angaha ianareo! Avia hijery izany ra serbianina manan-kaja izany! Asio tombo-kavatsa folo ny lohako, tsy ampy raha roa fotsiny!

Nitondra ny fitomboka teo amin’ny lohako ilay mpanompo manao akanjo fotsy, dia nanomboka… taitra aho tamin’iny nofy ratsy iny.

Tora-kovitra aho raha nitsapa ny handriko, nanontany tena ny momba iny zava-nitranga tanaty nofy iny aho.

– Efa nila hanarona ny lazan’i Lear aho, – hoy aho an’eritreritra, afa-po sady niorirana kely, somary kivy ihany tsy nahita ny faran’ilay nofy.

 

Tany Belgrade, 1899.
Ho an’ny tetikasa “Radoje Domanović” nadikan’i Domoina Radaniela Andrianoro, 2020.

 

Ознаке: , , , , , , , , , , , , , , , , , , , , , ,

About Домановић

https://domanovic.wordpress.com/about/

Оставите одговор

Попуните детаље испод или притисните на иконицу да бисте се пријавили:

WordPress.com лого

Коментаришете користећи свој WordPress.com налог. Одјави се /  Промени )

Фејсбукова фотографија

Коментаришете користећи свој Facebook налог. Одјави се /  Промени )

Повезивање са %s

%d bloggers like this: