Malagasy

Radoje Domanović (16 febroary 1873 – 17 aogositra 1908) dia mpanoratra serbianina, mpanao gazety sady mpampianatra, ny sombin-tantara manesoeso no nampalaza azy.

Radoje Domanović dia teraka tany amin’ny tananan’i Ovsište ao afovoan-tanin’ny Serbia, zanaka mpampiantra sady mpandraharaha Miloš Domanović, sy Persida Cukić, taranak’i Pavle Cukić, anisan’ny komandy miaramila tamin’ny fikomiana serbianina voalohany sy faharoa. Tao amin’ny tananan’ny Gornje Jarušice akaikin’ny Kragujevac izy no nandalo ny fahazazany, tany izy no nanao ny sekoly fanabeazana fototra ambaratonga voalohany. Nanohy ny fianarany tany Kragujevac izy, ary tao amin’ny sampam-pianarana filozofia tao amin’ny oniversite an’ny Belgrade, tao izy no nianatra manokana ny teny serbianina sy ny tantarany.

Tamin’ny taona 1895, dia nanao ny fihaonana voalohany mba ho lasa mpampianatra tao Pirot, atsimon’ny Serbia, faritra izay vao nafahana tamin’ny fanjakana otomàna vao haingana. Tao Pirot dia nifankahalala tamin’i Jaša Prodanović (1867-1948), mpampianatra sy mafana fo iray izy izay nanampy azy hanefy ny heviny ara-politika. Tao koa no nifankahafantarany tamin’ny vadiny, Natalija Raketić (1875–1939), mpampianatra tao Sremski Karlovci, izy no nanohana azy tamin’ireo sedra nolalovany tamin’ny fiainany. Nanan-janaka telo izy ireo.

Nony niditra tao amin’ny antoko mpanohitra People’s Radical Party izy, dia nifandahatra tamin’ny fitondran’i Obrenović, ary nafindra tany Vranje izy tamin’ny faran’ny taona 1895. Tamin’ny taona 1896 dia nafindra tany Leskovac indray izy. Tamin’i Domanović mbola mpampiantra dia efa nanomboka nanoratra. namoaka ny sombin-tantarany voalohany izy tamin’ny taona 1895. Taorian’ny fisehoana voalohany fanoherana ny fitondrana nataony ny taona 1898, dia samy natsahatra tamin’ny asam-panjakana izy sy ny vadiny. I Domanović kosa dia nifindra monina nankany Belgrade niaraka tamin’ny fianakaviany.

Tany Belgrade izy dia nanomboka niara-niasa tamina mpanoratra hafa tao amin’ny “Zvezda” (Kintana) izay gazety mivoaka isan-kerinandro, sy tao amin’ny gazety mpanohatra ara-politika “Odjek” (Ako). Tamin’izay fotoana izay izy dia nanomboka nanoratra sy namoaka ny sombin-tantara manesoeso voalohany nataony, toy ny “Devoly” sy “Ny fanafoanana ny fitiavana”. Ny famoahana ireto tantara ireto: “Mpitarika” (1901) sy “Stradija” (1902), no nampalaza an’I Radoje, tanatin’izany izy dia nanendrikendrika sy nanaboraka ny fihatsarambelatsihy sy ny fahadisoan’ny fitondrana.

Taorian’ny fanonganam-panjakana izay nanapitra ny fanjakan’i Aleksandar Obrenović tamin’ny taona 1903 dia teo an-tampon’ny lazany i Domanović, ka tonga mpanora-dalàna tao amin’ny Ministeran’ny Fampianarana. Ary ny fanjakana nipetraka dia namela azy handeha ho any Alemaina hanao fanokanana mandritra ny eritaona, izay nataony tao Munich. Niverina tao Serbbia i Radoje ka kivy tamin’ny tsy fiovan’ny fiaraha-monina. Nanokatra ny gazety politikany manokana izy, “Stradija”, tao izy no nanakihana ny fahalemen’ny demokrasia vaovao, kanefa tsy nitovy tamin’ny taloha intsony ny fiantefan’ny asa sorany tany amin’ny vahoaka.

Nodimandry atsasak’adiny taorian’ny sasak’alina ny 17 aogositra 1908 i Radoje Domanović, teo amin’ny faha 35 taonany rehefa avy niady tamin’ny aretin-tratra sy tioberkilaozy izy. Nalevina tao amin’ny fasam-baovao tao Belgrade izy. Ny ambin’ny asa sorany izay tsy voavoaka dia very daholo nandritra ny ady lehibe voalohany.

Asa soratra

Ireo asa soratr’i Radoje Domanović fanta-daza dia ahitana ny:

  • Devoly, 1898
  • Fikomiana maoderina, 1902
  • Ilay tombo-kavatsa, 1899
  • Mpitarika, 1901
  • Ny eritreritr’omby serbianina tsotra, 1902
  • Ny fanafoanana ny fitiavana, 1898
  • Ny fiverenan’i Kraljević Marko eo anivon’ny Serbianina, 1901
  • Ranomasina maty, 1902
  • Stradija, 1902

Ny tetikasa “Radoje Domanović” dia tantanan’i Vladimir Živanović, injeniera kalitao sy mafana fo tamin’ny literatiora, nnnaniry ny hamadiana ireo asa soratr’i Radoje Domanović rehetra ho hita anaty solosaina. Ary ny asa sy ny dikateny rehetra nataony dia azo ovaina na alaina. Ireto tantara manaraka ireto no nadika manokana ho an’ity tetikasa ity, ary sambany navoaka teto:

Ho an’ny tetikasa “Radoje Domanovic” nadikan’i Domoina Radaniela Andrianoro.

 

 


[Contents of this biographical reference page were written for the “Radoje Domanović” Project with the goal of promoting the life and works of the famous Serbian satirist, Radoje Domanović, and are released into public domain. Editor]

%d bloggers like this: