Mpitarika (3/3)

(pejy teo aloha)

Vita iny ny andro voalohany, dia toy izay ihany no nitranga ny andro vitsy manaraka an’iny. Tsy dia nisy tranga goavana, fa sedra kely madinidinika no nandalovana: nilatsaka tanaty lavaka sy alon-tsaha; namaky fefy hazo, ala; nandia tsilo; maro no tapa-tanana sy tongotra; ny sasany tapa-tenda. Izany rehetra izany no niaretana. Nisy antiday vitsivitsy tsy nahazaka ka nodimandry teny an-dalana. “Ho faty ihany izy ireo raha nijanona tany an-tanàna, maika fa tety an-dalana!” hoy ny iray nanamarika, sady nankahery ny hafa hanohy ny lalana. Zaza, manodidina ny roa taona, vitsivitsy ihany koa nandao ny ainy. Nampionon-tena ihany anefa ireo ray aman-dreniny satria izay no sitrapon’Andriamanitra. “Raha kely ny zaza, dia kely ihany koa ny alahelo. Rehefa mbola zaza izy dia tsy dia re koa ny fanaintainana. Andriamanitra mitahy zanaka mba hahafahan’ny ray aman-dreny misitraka ny andro hanambadian’izy ireo. Raha izay no lahatra ho an’ireto zaza ireto, tsara kokoa ara ny handaozany antsika mialoha. Ka tsy ho lehibe loatra ny alahelo!” hoy ilay mpitondra-teny nampionona azy ireo hatrany. Nisy ny namatotra ravi-damba tamin’ny lohany mba hanerena ny vonto. Tao koa ny namatotra ravi-damba tamin’ny tanany. Naratra sy tapaka avokoa ny rehetra. Ny akanjony rovitra sy mitarazoka amin’ny tany, kanefa nanohy hatrany izy ireo tamin’ny fifaliana. Moramora kokoa ny nizakana izao rehetra izao raha tsy nampijalian’nny hanoanana izy ireo tambonin’izany rehetra izany. Tsy maintsy nanohy hatrany anefa izy ireo.

Indray andro, toe-javatra goavana kokoa no nitranga.

Nandeha teo aloha ny mpitarika, ihodidinan’ireo lehilahy mahery fo maro. (Ny roa amin’ireo tsy hita popoka. Noheverina fa nivadika izy ireo ka nitsaoka. Nisy fotoana ilay mpitondra teny nanambara ny famadihan’izy ireo. Vitsy ihany no nihevitra fa maty teny an-dalana ireo roa ireo, kanefa tsy nolazainy moa izany heviny izany mba tsy hanakorontana ny hafa.) Ny sisa kosa nilahatra tao aoriana. Tampoka teo, tojo hantsana goavana be izy ireo. Avo loatra ny tevana ka tsy nahasahy niroso intsony ny olona. Na ireo mahery fo indrindra aza nijanona kely ary nibanjina ny mpitarika. Nandinika teo ampihondrehina ny mpitarika, ny tarehiny miketrona, ary nanao dingana iray tamin’ny fahasahiana lehibe izy. Notsapatsapainy tamin’ny tehina ny manodidina, teo aloha, teo ankavanana, tao ankavia. Maro no nilaza fa ny fihetsiny dia mahamendrika azy bebe kokoa. Izy anefa tsy mba mijery na iza na iza, tsy mba miteny koa. Tsy misy endrika tahotra mihitsy izy manatona ny tevana. Na ireo lehilahy mahery indrindra aza hatsatry ny tahotra, fa tsy nisy sahy nampitandrina ilay mpitarika hendry. Dingana roa fanampiny dia teo amorony tanteraka izy. Nangovitra avokoa izy ireo, nivandravandra sy tora-kovitra. Efa mila hihazona ny mpitarika ireo lehilahy manodidina azy, na dia hanohitra ny fitsipika aza izany fihetsika izany, kanefa nandroso ihany ny mpitarika. Dingana iray, roa, dia latsaka tanaty hantsana izy. Korontana izany, fidradradradrana, kiakiaka; tahotra no nanjaka. Ny sasany lasa nitsaoka.

– Mitonia aloha ry havana! Inona ity mahataitra? Izao ve no mitazona ny teny nolazaina? Mila manaraka iny lehilahy iny isika satria izy no mahalala ny tokony hatao. Adala izy raha hamono ny tenany. Ndeha hanaraka azy! Ito angamba no loza lehibe indrindra nosedraitsika, kanefa ito no mety ho farany. Iza no mahalala? Mety ao ambadiky ny hatsana ao angamba no misy ny toeram-piadanana nataon’Andriamanitra ho antsika. Andao! Raha tsy misorona, tsy ho tonga n’aiza n’aiza isika! – izany no hafatry ny mpitondra teny, dia nanao dingana roa koa izy ka lasa tanaty hantsana. Ireo lehilahy mahery nanaraka azy dia lasa daholo koa ny olona.

Fidradradradrana, fimenomenomana, fitarainana no nameno ny hantsana. Azo lazaina fa tsy hisy ny hivoaka velona eto, na ny ho afaka tsy misy pentina. Mahery anefa ny ain’olombelona. Tena manana vintana lehibe ny mpitarika. Namikitra hazo izy raha nidina ka tsy dia naratra firy. Tafavoaka moramora ny hantsana ihany izy. Tanatin’ny tabataba tsy hay leferina anefa dia nipetraka mora foana izy, nangina tanteraka. Nisy olona sasany efa mila ho faty nanozona azy tam-pahatezerana, kanefa tsy nahoany akory. Ireo izay nahafikitra hazo nandritra ny fidinana dia mba niezaka ny hivoaka ny hantsana koa. Nisy ny vaky loha ka nijininika ra eraky ny tavany. Naratra avokoa ny rehetra ankoatr’ilay mpitarika. Samy tezitra tamin’ity farany izy rehetra sady nitalaho mady, kanefa tsy mba noraharahiany akory izany. Nangina hatrany izy, ny endriny maneho olon-kendry!

Fotoana fohy taty aoriana, niha nihena hatrany ny isan’ireo mpandeha. Nihavitsy isan’andro izy ireo. Nisy ny lasa ka niverin-dalana.

Tamin’ny isan’olona niaingana, teo amin’ny roapolo teo no nijanona. Ny tarehin’izy ireo, izay tena trotraka sy torovana mafy, maneho ny hakiviana, ny ahiahy, ny harerahana sy hanoanana, kanefa tsy nisy nitaraina na ny iray aza. Nangina toy ny mpitarika izy ireo ary nanohy ny dia hatrany. Na ilay mpitondra teny feno zotom-po aza mba nanifika ny lohany tamin’ny fahakiviana koa. Tena sarotra tokoa ny lalana.

Nihena hatrany ny isan’izy ireo mandrapahatonga izany ho folo. Mimenomenona sy mitaraina sisa no ataon’izy ireo fa tsy miresaka intsony, ny endrika tena kivy dia kivy.

Toa kilemaina izy ireo. Ny sasany mitondra tehina, ny sasany misy antsamotady mitazona ny tanany. Feno bandy sy fatorana ny tanan’izy ireo. Na dia vonona ny hanao sorona hatrany aza izy ireo, dia tsy afaka noho ny hafenoin’ny vatan’izy ireo ratra sy takaitra.

Na ireo mafy indrindra tamin’izy ireo aza dia very finoana sy fanantenana koa kanefa niharitra hatrany; izay no izy, nifampitaritarika teny izy ireo, nanezaka mafy, nitaraina sy feno ratra. Inona moa no azony natao raha tsy afaka niverina intsony izy? Taorian’ireny sedra marobe ireny ve vao hiverin-dalana?

Takariva ny andro. Variana nitambesatra tamin’ny tehina izy ireo no nahatsikaritra tampoka fa tsy teo alohan’izy ireo intsony ilay mpitarika. Nanao dingana iray hafa ka latsaka tanaty hantsana avokoa ny rehetra.

– Ny tongotro! Ny tanako! – nanakoako ny dradradradra sy menomenona. Feo malefaka iray no re nanozona ilay mpitarika mendrika, dia injay tsy heno intsony.

Raha nihanazava ny andro, indro ilay mpitarika mipetraka toy ny tamin’ny andro nifidianana azy. Tsy mba nisy fiovana ny endriny na dia kely aza.

Nivoaka ny hantsana ilay mpitondra teny, narahin’olona roa. Ny tarehy tsy fanatra intsony fa feno ra. Niherika izy ireo nijery ny isan’olona tavela. Vitsy tena vitsy sisa. Tahotra sy fahakiviana no nameno ny fon’izy ireo. Tsy fantatra ny manodidina, be havoana, feno vato – tsy misy lalana voasoritra na ny iray aza. Roa andro mialoha no tojo lalana izy ireo kanefa nodinganiny ihany izany. Teo no nitondran’ny mpitarika azy ireo.

Nahatsiaro ireo namana sy havana marobe lasana teny an-dalana izy ireo. Alahelo lehibe mihoatra ny fanaintainana teny amin’ny ratsany no nameno azy. Nanatrika ny faharavany manokana izy ireo.

Nanatona ny mpitarika ilay mpitondra teny ka nilaza ny harerahany, ny feony mihovitra noho ny fanaintainana, hakiviana sy hatezerana.

– Aiza no alehantsika izao?

Tsy namaly ilay mpitarika.

– Aiza no hitondranao anay? Nametraka ny fiainanay sy ny fianakavianay manontolo teo am-pelatananao izahay, nandao ny tranonay, ny fasan-drazanay nanantena fa mety ho afaka ny jaly tamin’iny tany ngazana iny izahay. Kanefa nosimbainao ny fiainanay. Nisy fianakaviana roanjato nanaraka anao, jereo ankehitriny ny isan’ny tavela!

– Tsy eo avokoa angaha ny rehetra? – hoy ilay mpitarika nanontany, nihondrika hatrany.

– Ahoana no hahasahiana mametraka izany fanontaniana izany? Mitrakà dia jereo! Isao ireo sisa tavela tamin’iny dia iny! Jereo ny endrikay! Tahak’izay ara maty toy izay kilemaina tahaka izao.

– Tsy afaka mijery anareo aho!

– Fa nahoana?

– Jamba aho.

Ngina ny rehetra.

– Very angaha ny fahitanao teny an-dalana?

– Teraka jamba aho!

Nisento hakiviana ireo telo teo.

Nitsoka ratsy teo amin’ny havoana ny rivotry ny fararano ka nitondra ireo ravinkazo efa malazo. Feno zavona ny havoana, mahery ny hatsiaka nentin’ny rivotra tao amin’ny hantsana. Feo mikarantsana fambara ratsy no nandredona. Nihanilentika tao ambadiky ny rahona ny masoandro, nanalavitra tsikelikely.

Nifampijery tamin’ny tahotra ireo telo teo.

– Aiza no afaka halehantsika izao? – hoy ny iray

–  Tsy haintsika!

 

Tany Belgrade, 1901.
Ho an’ny tetikasa “Radoje Domanović” nadikan’i Domoina Radaniela Andrianoro, 2020.

Ознаке:, , , , , , , , , , , , , , , , , , , , , , , , ,

About Домановић

https://domanovic.wordpress.com/about/

Оставите одговор

Попуните детаље испод или притисните на иконицу да бисте се пријавили:

WordPress.com лого

Коментаришет користећи свој WordPress.com налог. Одјавите се /  Промени )

Google photo

Коментаришет користећи свој Google налог. Одјавите се /  Промени )

Слика на Твитеру

Коментаришет користећи свој Twitter налог. Одјавите се /  Промени )

Фејсбукова фотографија

Коментаришет користећи свој Facebook налог. Одјавите се /  Промени )

Повезивање са %s

<span>%d</span> bloggers like this: