Tag Archive | dia

Mpitarika (3/3)

(pejy teo aloha)

Vita iny ny andro voalohany, dia toy izay ihany no nitranga ny andro vitsy manaraka an’iny. Tsy dia nisy tranga goavana, fa sedra kely madinidinika no nandalovana: nilatsaka tanaty lavaka sy alon-tsaha; namaky fefy hazo, ala; nandia tsilo; maro no tapa-tanana sy tongotra; ny sasany tapa-tenda. Izany rehetra izany no niaretana. Nisy antiday vitsivitsy tsy nahazaka ka nodimandry teny an-dalana. “Ho faty ihany izy ireo raha nijanona tany an-tanàna, maika fa tety an-dalana!” hoy ny iray nanamarika, sady nankahery ny hafa hanohy ny lalana. Zaza, manodidina ny roa taona, vitsivitsy ihany koa nandao ny ainy. Nampionon-tena ihany anefa ireo ray aman-dreniny satria izay no sitrapon’Andriamanitra. “Raha kely ny zaza, dia kely ihany koa ny alahelo. Rehefa mbola zaza izy dia tsy dia re koa ny fanaintainana. Andriamanitra mitahy zanaka mba hahafahan’ny ray aman-dreny misitraka ny andro hanambadian’izy ireo. Raha izay no lahatra ho an’ireto zaza ireto, tsara kokoa ara ny handaozany antsika mialoha. Ka tsy ho lehibe loatra ny alahelo!” hoy ilay mpitondra-teny nampionona azy ireo hatrany. Nisy ny namatotra ravi-damba tamin’ny lohany mba hanerena ny vonto. Tao koa ny namatotra ravi-damba tamin’ny tanany. Naratra sy tapaka avokoa ny rehetra. Ny akanjony rovitra sy mitarazoka amin’ny tany, kanefa nanohy hatrany izy ireo tamin’ny fifaliana. Moramora kokoa ny nizakana izao rehetra izao raha tsy nampijalian’nny hanoanana izy ireo tambonin’izany rehetra izany. Tsy maintsy nanohy hatrany anefa izy ireo.

Indray andro, toe-javatra goavana kokoa no nitranga.

Nandeha teo aloha ny mpitarika, ihodidinan’ireo lehilahy mahery fo maro. (Ny roa amin’ireo tsy hita popoka. Noheverina fa nivadika izy ireo ka nitsaoka. Nisy fotoana ilay mpitondra teny nanambara ny famadihan’izy ireo. Vitsy ihany no nihevitra fa maty teny an-dalana ireo roa ireo, kanefa tsy nolazainy moa izany heviny izany mba tsy hanakorontana ny hafa.) Ny sisa kosa nilahatra tao aoriana. Tampoka teo, tojo hantsana goavana be izy ireo. Avo loatra ny tevana ka tsy nahasahy niroso intsony ny olona. Na ireo mahery fo indrindra aza nijanona kely ary nibanjina ny mpitarika. Nandinika teo ampihondrehina ny mpitarika, ny tarehiny miketrona, ary nanao dingana iray tamin’ny fahasahiana lehibe izy. Notsapatsapainy tamin’ny tehina ny manodidina, teo aloha, teo ankavanana, tao ankavia. Maro no nilaza fa ny fihetsiny dia mahamendrika azy bebe kokoa. Izy anefa tsy mba mijery na iza na iza, tsy mba miteny koa. Tsy misy endrika tahotra mihitsy izy manatona ny tevana. Na ireo lehilahy mahery indrindra aza hatsatry ny tahotra, fa tsy nisy sahy nampitandrina ilay mpitarika hendry. Dingana roa fanampiny dia teo amorony tanteraka izy. Nangovitra avokoa izy ireo, nivandravandra sy tora-kovitra. Efa mila hihazona ny mpitarika ireo lehilahy manodidina azy, na dia hanohitra ny fitsipika aza izany fihetsika izany, kanefa nandroso ihany ny mpitarika. Dingana iray, roa, dia latsaka tanaty hantsana izy. Korontana izany, fidradradradrana, kiakiaka; tahotra no nanjaka. Ny sasany lasa nitsaoka.

– Mitonia aloha ry havana! Inona ity mahataitra? Izao ve no mitazona ny teny nolazaina? Mila manaraka iny lehilahy iny isika satria izy no mahalala ny tokony hatao. Adala izy raha hamono ny tenany. Ndeha hanaraka azy! Ito angamba no loza lehibe indrindra nosedraitsika, kanefa ito no mety ho farany. Iza no mahalala? Mety ao ambadiky ny hatsana ao angamba no misy ny toeram-piadanana nataon’Andriamanitra ho antsika. Andao! Raha tsy misorona, tsy ho tonga n’aiza n’aiza isika! – izany no hafatry ny mpitondra teny, dia nanao dingana roa koa izy ka lasa tanaty hantsana. Ireo lehilahy mahery nanaraka azy dia lasa daholo koa ny olona.

Fidradradradrana, fimenomenomana, fitarainana no nameno ny hantsana. Azo lazaina fa tsy hisy ny hivoaka velona eto, na ny ho afaka tsy misy pentina. Mahery anefa ny ain’olombelona. Tena manana vintana lehibe ny mpitarika. Namikitra hazo izy raha nidina ka tsy dia naratra firy. Tafavoaka moramora ny hantsana ihany izy. Tanatin’ny tabataba tsy hay leferina anefa dia nipetraka mora foana izy, nangina tanteraka. Nisy olona sasany efa mila ho faty nanozona azy tam-pahatezerana, kanefa tsy nahoany akory. Ireo izay nahafikitra hazo nandritra ny fidinana dia mba niezaka ny hivoaka ny hantsana koa. Nisy ny vaky loha ka nijininika ra eraky ny tavany. Naratra avokoa ny rehetra ankoatr’ilay mpitarika. Samy tezitra tamin’ity farany izy rehetra sady nitalaho mady, kanefa tsy mba noraharahiany akory izany. Nangina hatrany izy, ny endriny maneho olon-kendry!

Fotoana fohy taty aoriana, niha nihena hatrany ny isan’ireo mpandeha. Nihavitsy isan’andro izy ireo. Nisy ny lasa ka niverin-dalana.

Tamin’ny isan’olona niaingana, teo amin’ny roapolo teo no nijanona. Ny tarehin’izy ireo, izay tena trotraka sy torovana mafy, maneho ny hakiviana, ny ahiahy, ny harerahana sy hanoanana, kanefa tsy nisy nitaraina na ny iray aza. Nangina toy ny mpitarika izy ireo ary nanohy ny dia hatrany. Na ilay mpitondra teny feno zotom-po aza mba nanifika ny lohany tamin’ny fahakiviana koa. Tena sarotra tokoa ny lalana.

Nihena hatrany ny isan’izy ireo mandrapahatonga izany ho folo. Mimenomenona sy mitaraina sisa no ataon’izy ireo fa tsy miresaka intsony, ny endrika tena kivy dia kivy.

Toa kilemaina izy ireo. Ny sasany mitondra tehina, ny sasany misy antsamotady mitazona ny tanany. Feno bandy sy fatorana ny tanan’izy ireo. Na dia vonona ny hanao sorona hatrany aza izy ireo, dia tsy afaka noho ny hafenoin’ny vatan’izy ireo ratra sy takaitra.

Na ireo mafy indrindra tamin’izy ireo aza dia very finoana sy fanantenana koa kanefa niharitra hatrany; izay no izy, nifampitaritarika teny izy ireo, nanezaka mafy, nitaraina sy feno ratra. Inona moa no azony natao raha tsy afaka niverina intsony izy? Taorian’ireny sedra marobe ireny ve vao hiverin-dalana?

Takariva ny andro. Variana nitambesatra tamin’ny tehina izy ireo no nahatsikaritra tampoka fa tsy teo alohan’izy ireo intsony ilay mpitarika. Nanao dingana iray hafa ka latsaka tanaty hantsana avokoa ny rehetra.

– Ny tongotro! Ny tanako! – nanakoako ny dradradradra sy menomenona. Feo malefaka iray no re nanozona ilay mpitarika mendrika, dia injay tsy heno intsony.

Raha nihanazava ny andro, indro ilay mpitarika mipetraka toy ny tamin’ny andro nifidianana azy. Tsy mba nisy fiovana ny endriny na dia kely aza.

Nivoaka ny hantsana ilay mpitondra teny, narahin’olona roa. Ny tarehy tsy fanatra intsony fa feno ra. Niherika izy ireo nijery ny isan’olona tavela. Vitsy tena vitsy sisa. Tahotra sy fahakiviana no nameno ny fon’izy ireo. Tsy fantatra ny manodidina, be havoana, feno vato – tsy misy lalana voasoritra na ny iray aza. Roa andro mialoha no tojo lalana izy ireo kanefa nodinganiny ihany izany. Teo no nitondran’ny mpitarika azy ireo.

Nahatsiaro ireo namana sy havana marobe lasana teny an-dalana izy ireo. Alahelo lehibe mihoatra ny fanaintainana teny amin’ny ratsany no nameno azy. Nanatrika ny faharavany manokana izy ireo.

Nanatona ny mpitarika ilay mpitondra teny ka nilaza ny harerahany, ny feony mihovitra noho ny fanaintainana, hakiviana sy hatezerana.

– Aiza no alehantsika izao?

Tsy namaly ilay mpitarika.

– Aiza no hitondranao anay? Nametraka ny fiainanay sy ny fianakavianay manontolo teo am-pelatananao izahay, nandao ny tranonay, ny fasan-drazanay nanantena fa mety ho afaka ny jaly tamin’iny tany ngazana iny izahay. Kanefa nosimbainao ny fiainanay. Nisy fianakaviana roanjato nanaraka anao, jereo ankehitriny ny isan’ny tavela!

– Tsy eo avokoa angaha ny rehetra? – hoy ilay mpitarika nanontany, nihondrika hatrany.

– Ahoana no hahasahiana mametraka izany fanontaniana izany? Mitrakà dia jereo! Isao ireo sisa tavela tamin’iny dia iny! Jereo ny endrikay! Tahak’izay ara maty toy izay kilemaina tahaka izao.

– Tsy afaka mijery anareo aho!

– Fa nahoana?

– Jamba aho.

Ngina ny rehetra.

– Very angaha ny fahitanao teny an-dalana?

– Teraka jamba aho!

Nisento hakiviana ireo telo teo.

Nitsoka ratsy teo amin’ny havoana ny rivotry ny fararano ka nitondra ireo ravinkazo efa malazo. Feno zavona ny havoana, mahery ny hatsiaka nentin’ny rivotra tao amin’ny hantsana. Feo mikarantsana fambara ratsy no nandredona. Nihanilentika tao ambadiky ny rahona ny masoandro, nanalavitra tsikelikely.

Nifampijery tamin’ny tahotra ireo telo teo.

– Aiza no afaka halehantsika izao? – hoy ny iray

–  Tsy haintsika!

 

Tany Belgrade, 1901.
Ho an’ny tetikasa “Radoje Domanović” nadikan’i Domoina Radaniela Andrianoro, 2020.

Mpitarika (2/3)

(pejy teo aloha)

Ny ampitson’iny dia nivory avokoa ireo olona vonona ny hanao dia lavitra. Roan-jato mahery ny tokantrano tonga teo amin’ny toerana nifanarahana. Vitsy dia vitsy ny nijanona tany an-trano hikarakara ireo beantitra.

Teny nampalahelo tokoa ny nijery ireto vondron’olona fadiranovana izay noteren’ny fahantrana handao ny tany nahaterahany sy ny fasan-drazany. Ny endriny trotraka, torovan’ny hain’andro. Misoritra eny amin’ny tavany ny fijaliana niainany nandritra ny taona maro, hita tokoa ny fahantrana sy ny ngidim-piainany. Fa tamin’io fotoana io kosa, dia nisy fanantenana nitsiry – sady manina ny tanindrazana. Ranomaso no nikoriana teo amin’ny tavan’ity antidahy iray, nandalo ny tarehiny efa ketrona. Nisento lalina izy ary nanifika ny lohany toa feno tebiteby. Raha ny sitrapony dia niandriandry kely nanapitra ny ainy ary nalevina teo ihany, toy izay handao ny tanindrazany hitady tany tsaratsara kokoa. Ny vehivavy kosa nitomany fatratra sady nanao veloma ireo efa nody ho razana.

Ny lehilahy kosa manangona ny heriny rehetra, sady mihiaka hoe, – te ho faty noana eto amin’ity tany kere ity ve ianareo? – Raha azony natao tokoa mantsy, noentiny nanaraka azy ity tany mampalahelo ity, sy ny trano bongony.

Niverina indray ilay gonongonona mahazatra sy ny takoritsika maro. Na ny lehilahy na ny vehivavy. Ny ankizy nobabena koa nanomboka nikofokofoka. Na ny biby fiompy koa aza tsy nipetraka intsony. Tsy dia nisy biby maro loatra, omby vavy vitsivitsy tetsy sy teroa. Ny volony nikorontana, ny lohany lehibe mihoatra noho ny vatany, ny tongony matavy mitondra ireo kitapo sy entana maro efa tonta. Nihevingevina ity biby mitondra izato entam-be. Mijoro ihany izy na dia mikoviaviaka aza. Ny hafa kosa mitarika ny ampondra; ny ankizy mitondra ny alika. Resaka mandeha, kiakiaka, ompa, menomenona, tomany, vovon’alika, nifangaro tao daholo. Na ny ampondra koa aza moa mba mitabataba tsindraindray. Kanefa ity mpitarika tsy mba milaza na teny izay aza, toy ny tsy mahakasika azy ny zava-drehetra mitranga manodidina azy. Tena olona hendry!

Nipetraka izy, lasa saina mangina teo, sady nitanondrika. Mandrora tsindraindray izy; izay fotsiny. Na dia hafa toy izany aza ny fihetsiny, dia nitombo be ihany ny lazany. Tsy misy tsy ho vitan’ireto olona ho azy, arak any filazan’ireo. Izao kosa no resaka re:

– Tokony ho faly isika fa nahita lehilahy toy ilehito. Tsy sitrak’Andriamanitra mihitsy ara ny hialohavantsika azy! Angamba mety efa potika isika. Manana ny tena fahiratan-tsaina izy, izay no lazaiko anareo! Mangina izy. Tsy mbola niteny mihitsy hatreto! – hoy ny iray raha nitodika tany amin’ny mpitarika tamin’ny fanajana sy fireharehana.

– Inona no tokony holazainy? Izay rehetra miteny betsaka tsy dia mieritreritra loatra. Tena azo antoka izany, olona mahay io! Mieritreritra foana izy, tsy mba milaza na inona na inona, – hoy ny iray hafa nibanjina ilay mpitarika.

– Tsy moramora ny mitarika olona marobe toy izao! Mino aho fa mandinika lalina izy satria maro no andraikitra lolaviny, – hoy indray ilay voalohany.

Tonga ara ny fotoana hiaingana. Niandry kely ny daholobe nijery raha nisy hafa nivadi-kevitra ka hanaraka azy ireo ihany, nefa tsy nisy izany. Izy ireo rahateo tsy afaka ny hiandriandry be intsony.

– Tsy efa tokony handeha ve isika? – hoy izy ireo nanontany ilay mpitarika.

Tsy namaly izy fa nitsangana avy hatrany.

Nitangorona nanodidina azy ireo lehilahy mahery fo, naneho ny fahavononany hanampy raha toa ka misy loza tampoka.

Nandroso moramora ilay mpitarika, sady miketrona sy mitondra ity tehiny amin’ny fomba feno fahamendrehana. Mandroso manaraka azy ny fokonolona sady mankalaza azy amin’ny feo miredona. Nandroso kely ihany izy ka nidona tamin’ny fefin’ny tanana. Nijanona izy; nijanona koa ny olona taoriany. Nihemotra kely ilay mpitarika ary nitsapatsapa ilay fefy tamin’ny tehiny.

– Inona no tokony hataonay? – Hoy ny olona nanontany

Tsy namaly izy.

– Inona no tokony hatao? Arodany ny fefy e! Izay no tokony hatao! Tsy hitanao ve fa izay no asehony amintsika amin’ito tehiny ito? – hoy ireo lehilahy teo akaikiny.

– Itsy ny vavahady! Itsy ny vavahady! – hoy ireo ankizy nanondro ny vavahady nifanohitra tamin’ny lalan’ireto olona.

– Mangìna rankizy ah!

– Zanahary, ampio izahay, – hoy ireo vehivavy nifamihina mafy.

– Mangina ianareo! fantany ny tokony hatao. Arodany ny fefy!

Teo no eo ihany dia rodana toy ny tsy teo ny fefy.

Roso ny dia.

Zara raha nanao dingana maro izy ireo no nitsofoka tanaty tsilo ity mpitarika. Sahirana ery izy niezaka ny niala ny nivoaka ny tsilo, ary nanomboka nitsapatsapa tamin’ny tehiny. Tsy nisy nihetsika ny olona.

– Inona no olana? – hoy ireo any aoriana

– Tapaho ny tsilo! – hoy ireo nanodidina ilay mpitarika.

– Misy lalana ao ambadik’io tsilo io! Izay no izy! – hoy ireo ankizy sy olona sasantsasany tany aoriana.

– Lalana! – hoy ireo nanodidina ny mpitarika sady tezitra ery. – Ahoana moa no fomba hahafahantsika ireto, olona jamba tsy mahay lalana, mahalala ny lalana itondrany antsika? Tsy mety raha olona marobe no miara-mibaiko. Ny mpitarika mahalala ny lalana tsara sy akaiky indrindra. Tapaho ireo tsilo ireo!

Niara-nirona hanao lalana handehanana izy ireo.

– Ay, hoy ireo olona izay niraikitra tamin’ny tsilo ny tanany, ny iray hafa indray niraikitra tamin’ny tahom-boarohy.

– Ry havako, tsy afaka ny hahazo zavatra mora amin’izao isika. Mila mikely aina vao ho tafita, hoy ireo be herim-po.

Rehefa avy niara-niosona teo izy ireo, dia vaky ihany ilay kirihitra ary roso indray ny dia.

Rehefa nandeha lavidavitra izy ireo, dia feno vatan-kazo ny lalana. Natsipy teny an-tsisin-dalana ireo hazo ary nitohy ny dia.

Kely ihany ny lalana vita iny andro iny noho ireo sakana marobe nosedraina. Kely anefa ny sakafo nananana satria ny sasany tsy nitondra afa-tsy mofo maina sy leminy kely. Ny sasany ara moa tsy nanana na inona na inona. Soa ihany fa lohataona ka mora nahitana hazo ihany teny an-dalana.

Arak’izany, nandroso kely ihany izy ireo iny andro voalohany iny. Torovana avokoa izy rehetra. Tsy nisy kosa anefa ny loza. Nisy ihany ny tranga madinidinika izay matetika mahazo ny hetsika lehibe toy izao: vehivavy iray nisy tsilo ny masony havia, tsy maintsy nasiana lamba mando; ankizy iray nitsatohana tapa-kazo ny tongony; antidahy iray fola-tongotra tao anaty voarohy; nasiana oviala ny tongony ka afaka nizaka ny fanantainana ihany izy, ka nanenjika ilay mpitarika ary nanaraka azy avy ao aoriana. (Raha ny tena marina, maro no nilaza fa nody narary fotsiny izy satria te hiverin-dalana.) Vetivety ihany anefa, dia saika nitsatohan’ny tsilo ny tanana na naratra tarehy avokoa izy rehetra. Ireo lehilahy nizaka ny fanaintainana fa ny vehivavy kosa nanozona ny fotoana nanapahan’izy ireo hevitra ny handeha, ary ny ankizy nitomany, satria tsy azon’izy ireo izany valisoa vokatry ny fijaliana izany.

Feno hafaliana kosa anefa ny rehetra satria tsy nisy loza nanjo ny mpitarika. Marina fa natao tsara aro izy, kanefa tsy azo lavina fa nanam-bitana rangahy iny. Ny alina voalohany dia nivavaka sy nisaotra an’Andriamanitra ny vahoaka rehetra fa vita soa aman-tsara ny andro, ary tsy nisy na inona na inona nanjo ny mpitarika. Ary teo dia nisy lehilahy iray nandray fitenenana. Voakikin’ny voarohy ny tarehiny, kanefa tsy nasiany lanjany izany.

– Ry havana, – hoy izy. – Andro iray izay no nodiavitsika soa aman-tsara, isaorantsika an’Andriamanitra izany. Tsy moramora ny lalana, kanefa mila mikezaka isika manohy satria fantatsika fa ity lalan-tsarotra ity no hitondra antsika any amin’ny fahasambarana. Ny Zanahary avo indrindra anie hiaro ny mpitondra antsika amin’ny loza rehetra, ka hahafahany mitarika antsika amin’ny fahombiazana.

– Tsy hana-maso intsony aho rahampitso raha mitohy izao! – hoy ilay vehivavy iray tamin-katezerana.

– Hay, ny tongoko! – hoy ity anti-dahy nitomany, raha nandre ny tenin-dramatoa teo izy.

Mifendrofendro mitomany ny ankizy. Sahirana ireo reny mampangina azy ireo mba hahafahan’ny rehetra mihaino ny mpandray fitenenana.

– Ie, tsy hana-maso intsony ianao, – hoy izy sady sosotra ihany, – ary mety ho very izy roa ara! Tsy fantiantoka lehibe ho an’olona iray ny mahasimba ny masony amin’antony lehibe toy izao. Mba menatra! Ianao ve dia tsy mba mihevitra ny izay mety hahatsara ny zanakao akory? Aoka ho tapitra ringana ny atsasany amintsika amin’izao lalana izao! Inona no tombotsoantsika? Inona izay maso iray? Inona moa no ilanao maso raha toa ka misy olona mahiratra ka mitarika anao any amin’ny fahasambarana? Havela ara ve izao fikasana izao noho ny masonao sy ny tongotr’antidahy iray?

– Mandainga io! Mandainga ilay antidahy! Mody marary izy mba hahafahany miverin-dalana, – hoy ireo feo manakoako tetsy sy teroa.

– Ry havana, aoka izay rehetra tsy te hanohy intsony, – hoy ilay mpandray fitenenana, – hiverin-dalana toy izay himenomenona sy hanahirana ny hafa. Raha ho ahy manokana, dia hanaraka ity mpitarika hendry ity aho raha mbola misy koa ny fofon’aiko!

– Hanaraka avokoa izahay! Hanaraka azy daholo izahay raha mbola velon’aina!

Tsy niteny ilay mpitarika.

Nijery azy ny fokonolona sady nibitsibitsika hoe:

– lasa eritreritra izy!

– Olona hendry!

– Jereo ny tapi-kandriny!

– Miketrona foana!

– Matotra!

– Be herim-po ery izy! Hita taratra amin’ny zavatra rehetra ataony.

–  Avereno anie izany e! Fefy, vatan-kazo, tsilo – nolalovany daholo izany. Ny hany ataony dia ny mipakopakoka amin’ny tehiny, tsy miteny tsy mivolana, anjaranao ny maminany izay tiany ambara.

(pejy manaraka)