Tag Archive | trano fandraisam-bahiny

Ilay tombo-kavatsa

Nanofy ratsy aho. Tsy dia voadiniko loatra ilay izy, kanefa manontany tena hoe ahoana no nahavitako nanofy ratsy toy izany, izaho izay olom-banona, zanaka mendrika an’i Serbia reny malala, toy ny zanany  hafa rehetra ihany. Raha tena niavaka aho, dia mety ho hafa ny zava-nitranga. Kanefa tsy izay, ry hava-malalako, toy ny olon-drehetra ihany aho, raha resaka fitandremana kosakosa dia tsy misy toa ahy angamba. Indray andro aho nahita bokotra miaramila latsaka teny an-dalana. Nibanjina azy nangirana ery aho, efa saika nodinganiko ihany ilay izy, tamin’ny fahatsoram-po tanteraka. Tampoka teo anefa, nangovitra ny tanako ka nanao mari-panajana; nanondri-doha tsy nahy aho, ary nitsiky toy ireny mifanena amin’olona manan-kaja ireny.

– Olona mihaja tokoa aho – izay no izy! – Izay no tao an-tsaiko tamin’izay fotoana izay ary nanao fijery havonavona tamin’ilay mpandalo adala niondrika naka ilay bokotra.

– Adala! – hoy aho niteny mafy azy sady nandrora, avy eo nandeha moramora, nihevitra fa mba vitsy ny tsy manan-tsaina toy ireny; ary tena faly aho fa nomen’Andriamanitra fo madio sy anjananjana, ran’andriana nolovana avy tamin’ny razambeko.

Izay, hitanao amin’izay ny maha olona tsara ahy, tsy mba hafa amin’ireo olom-pirenena manan-kaja rehetra, ary mety hihevitra ianao hoe inona ara izany zavatra maharikoriko nitranga tanaty nofiko izany.

Tsy dia nisy zavatra nihoatra ny mahazatra nitranga tamiko tamin’izay andro izay. Nisakafo tsara aho, ary aveo nisikotra nify teo am-pipetrahana; nisotro ny divaiko, ary naka fy ny zoko amin’ny maha olom-pirenena ahy, nandeha namonjy fandriana aho ary naka boky iray mba hahatongavan’ny torimaso haingana.

Nilatsaka tamin’ny tanako ilay boky, rehefa tanteraka ny fikasako, vita ny adidiko rehetra, dia tafatory aho toy ny ondry tsy manan-tsiny.

Tampoka teo dia nahatsiaro teny ho tamina lalana tery sy be fotaka aho, mitondra mankany an-tendrombohitra ilay lalana. Ny alina maizina sy mangatsiaka. Ny rivotra mitsoka eny anelanelan’ny tahon-kazo dia toy ny hareza aha sendra mandalo hoditra. Ny lanitra maizina, moana, mampatahotra, ny oram-panala toy ny vovoka, miditra anaty maso ary mameno ny tava. Tsy nisy zava-manan’aina mihitsy teo. Nihazakazaka aho, nibolisatra tamin’ity lalana namotaka, niankavia, niankavanana. Nangozohozo aho ary farany nianjera ka very lalana, nirenireny – Andriamanitra mahalala – tsy mba alina fohy, toy ny mahazatra, fa tena toy ny zato taona, ary izaho nandeha teny foana tsy nahalala izay nombana akory.

Nandeha teny aho aman-taonany maro, ary tonga tamina toerana iray, lavitra tena lavitra ny taniko, toerana hafahafa izay mety tsy misy mpahalala akory angamba ity, tsy fahita raha tsy anaty nofy.

Niriaria tamin’ilay tany nahatongavako aho ka tonga tamina tanana lehibe iray izay be mponina tokoa. Tonga teo amina tsena be iray hiboka olona, feno tabataba tsy hay leferina namaky sofina. Niditra ankany iray aho ka nanontany ilay tompon-trano ny antony nampivory olona marobe toy izao.

– Olona milamina sy mihaja izahay, – hoy izy nanomboka ny tantarany, – olona mahatoky sy mpankatò ny governora.

– Ny governora ve no mpandidy faratampony? – Hoy aho, nanapaka ny teniny.

– Ny governora no mandidy sy manana ny fahefana farantampony; ny mpitandro filaminana manaraka azy

– Fa maninona ianao no mihomehy?… Tsy fantatrao angaha?… Avy aiza ianao?

Nolazaiko azy fa very lalana aho, ary avy tamina tany lavitra – Serbia.

– Efa henoko izay firenena malaza izay! – hoy izy tamiko, sady nijery ahy tam-panajana, avy eo niteny tamin’ny feo mahery hoe:

– Ito no lalantsika, – sady nandeha izy, – ny governora no manjaka eto miaraka amin’ny mpitandro filaminany.

– Toy ny ahoana ny mpitandro filaminanareo?

– Izany hoe, misy karazany maro ny mpitandro filaminana – miovaova arakaraky ny gradiny. Misy ireo tena manam-boninahitra ary misy ireo mahazatra… Izahay izany, hitanao, olona milamina sy manan-kaja, fa avy amin’ny manodidina no misy ireo karazan’olona mpanakorontana rehetra, mamadika ny sainay izy ireo ary mampianatra anay zava-dratsy. Mba hanavahana ny olom-pirenenay amin’ireo olona ireo dia namoaka didy ny governora omaly fa ireo olom-pirenena rehetra dia mila mandalo fitsarana avokoa, any no hasiana tombokavatsa ny lohanay rehetra. Izay no nampivory ireo olona marobe ireo: mba hifampidinika amin’izay hatao.

Nangovitra aho ary nihevitra ny hitsoaka an’ity tany vahiny ity farak’izay haingana, satria izaho, izay teratany serbianina, tsy mba zatra fahasahiana be tahak’ izao. Tora-kovitra aho ny amin’izany!

Nihomehy ilay tompon-tany, sady nikapokapoka ny sandriko, ary nilaza tamim-pihavonavonana hoe:

– Ah, ry vahiny, izay fotsiny ve dia maha saro-tahotra anao? Tsy mahagaga raha mbola lavitr’ezaka ny hahazoanao fahasahiana tahaka ny anay.

– Inona no ho ataonao? – hoy aho menamenatra ery.

– Izato fanontanianao! Ho hitanao ny fahasahianay. Mila ezaka be vao hanana fahasahiana toy ny anay ianao, izaho no milaza aminao. Nandia tany lavitra ianao ary nahita ny tany, fa mino aho fa mbola tsy nahita olona be herim-po tahaka anay ianao. Andao hiaraka ho any isika. Mila mailamailaka.

Efa saika handeha izahay, efa teo anolohan’ny varavarana, no injay naheno karavasy.

Nitsamboatra aho nijery: nisy raha hojerena tokoa manko – lehilahy iray feno taratra hazavana, manao satro-miaramila, ny akanjony mamirapiratra, nentina teo an-damosin’olona manao akanjon’olon-tsotra mihaja. Nijanona teo alohan’ny ankany izy ary nidina ilay olona nentina.

Nivoaka ny tompon-trano ary niankohoka tamin’ny tany, ilay lehilahy niakanjo mihaja kosa niditra ny ankany ary nanatona latabatra efa voamboatra. Ilay nanao akanjo tsotra nijanona teo alohan’ny ankany ary niandry teo. Niankohoka teo anatrehany koa ilay tompon-trano.

– Inona izao rehetra izao? – hoy aho mantsy ilay tompon-trano, very hevitra tanteraka.

– Ilay iray niditra ny ankany dia mpitandro filaminana manam-boninahitra, ary iry iray iry kosa dia anisan’ireo olom-pirenena manan-kaja indrindra, manan-karena, ary tia tanindrazana, – hoy ilay tompon-trano nibitsibitsika.

– Koa fa maninona no baben’ny iray ny iray?

Nanifi-doha ilay tompon-trano ary nihisaka kely. Nitsikitsiky tamiko izy ary nilaza hoe:

– Voninahitra lehibe ho anay ny toy izany, tena mahalana! – Nanambara zavatra maro tamiko izy, kanefa tena tsindrin-daona aho ka tsy arako akory izay nolazainy. Henoko mazava ihany anefa ny nolazainy tamin’ny farany: – fanompoana firenena izay mbola tsy nianaran’ny firenena hafa izao!

Tonga tany amin’ny fivoriana izahay, efa nanomboka ny fifidianana ny mpitari-draharaha.

Ilay vondrona voalohany nanohana lehilahy iray antsoina hoe Kolb, raha tsy diso ny fitadidiko anarana, ho kandidàny; ilay faharoa kosa nanohana an’i Talb, ary ny fahatelo nanana ny kandidàny manokana.

Nisy fifanjevoana nampatahotra; samy nanohana ny azy ny vondrona tsirairay.

– Mihevitra aho fa tsy manana olona tsara noho i Kolb isika ho an’io anjara toerana io amina fivoriana lehibe tahak’izao, – hoy ny feo avy tamin’ny vondrona voalohany, – satria isika samy mahalala ny hatsaran-toetrany amin’ny maha olom-pirenena azy sy ny herim-pony. Tsy misy angamba olona hafa amintsika ireto afaka milaza fa efa nibaby olona manan-kaja matetika teto…

– Iza no lazainao amin’izany, – hoy ny hafa avy amin’ny vondrona faharoa. – Tsy mbola nibaby mpitandro filaminana vao akory ianao!

– Fantatray ny toetranao, – hoy ny hafa avy tamin’ny vondrona fahatelo. – Tsy afaka ny hizaka kapoka karavasy iray akory ianao raha tsy midradradradra!

– Aleo hahitsintsika izy ity ry havana! – hoy i Kolb. – Marina fa efa nilanja olona manan-kaja maro aho folo taona lasa izay; nikaravasy ahy ireo ary tsy mba nitomany akory aho, kanefa tsy milaza izany fa tsy misy hafa mendrika ato amintsika. Mety hoe ny tanora koa aza.

– Tsia, tsia – hoy ny mpanohana nihiaka.

– Tsy mila voninahitra lany andro izahay! Efa folo taona izay no nibaben’i Kolb, – hoy ireo feo mitabataba avy amin’ny vondrona faharoa.

– Ra tanora no maka toerana, aoka ny alika antitra hitsako taolana, – hoy ny hiakan’ireo avy amin’ny vondrona fahatelo.

Tampoka teo dia tsy nisy feo intsony; nihemotra ny olona rehetra, ankavia sy ankavanana, nanome lalana ary indro aho nahita tovolahy iray teo amin’ny telopolo taona teo ho eo. Niankohoka avokoa ny rehetra izay nandalovany.

– Izy no iza? – hoy aho mantsy ny tompon-trano.

– Izy no mpitarika. Lehilahy tanora, kanefa misy andraindraina. Tamin’ny fahatanorany, tena nirehareha izy fa efa nibaby ny governora in-telo. Izy no olona malaza indrindra.

– Mety hifidy azy ireo? – hoy aho nanontany.

– Tena azo antoka izany, satria ny amin’ireo kandidà sisa – antitra kokoa, efa dilan’ny andro, ity iray ity kosa anefa vao omaly no nibaby ny governora.

– Iza no anarany?

– Kleard.

Nanome toeram-boninahitra ho azy ny olona.

– Raha ny hevitro, – hoy i Kolb namaky ny ngina, – tsy hahita olona mendrika ity toerana ity noho i Kleard isika. Tanora izy, kanefa tsy misy sahala azy isika efa zokiny ireto.

– Henoy, henoy!… ho ela velona anie i Kleard!… – hoy ny feo nanako.

Nametraka azy teo amin’ny toeran’ny mpitari-draharaha i Kolb sy Talb. Samy nihankohoka ny rehetra, ary ngina ny toerana.

– Misaotra anareo ry havana, ny amin’ny fanajana sy voninahitra atolotrareo ahy. Ny fanantenanareo, izay miankina amiko ankehitrina, dia mandrobo mihitsy. Tsy moramora ny mitarika ny fanirian’ny firenena amin’ny vanim-potoana toy izao, kanefa hanao izay vitako aho hanatanteraka ny fanirianareo, haneho an-kitsim-po ny hevitrareo, ary mba ho mendrika izato fanajana atolotrareo ahy izato. Misaotra indrindra, ry havana, ny amin’ny nifidiananareo ahy.

– Oe! Oe! Oe! – hoy ireo mpifidy avy amin’ny lafiny rehetra.

– Ankehitriny ry havako isany, mamelà ahy ianareo handray fitenenana kely amin’ity fotoana lehibe ity. Tsy moramora ny misedra fanaintainana, jaly toy izay miandry antsika; tsy mora ny hananana tombo-kavatsa apetaka amin’ny vy mamay eo an-tampon-kandrina. Indrindra, tsia – fampijaliana izay tsy afaka hiainan’ny olona rehetra izany. Aoka ny kanosa hangovitra, aoka izy ireo ho hatsatry ny tahotra, fa aoka tsy hadinoitsika velively fa mahery fo ny razambentsika, ra manan-kaja no mikoriana ato anatintsika, ra mahery fo avy amin’ireo dady, ireo mpitolona vonona ny ho faty ho an’ny fahalalahana sy ny soa iombonana, ny taranany. Mafy ny fahoriantsika, kanefa azonareo an-tsaina ve ny fahoriana nianan’izy reio – koa hanao tahaka ny taranaka simba sy kanosa ve isika ankehitriny mba hiaina fianana tsaratsara kokoa ankehitriny? Ny tia tanindrazana, izay rehetra tsy te hahamenatra ny fireneny eo imason’izao tontolo izao, dia mila mizaka fahoriana toy ny tena lehilahy, mahery fo.

– Derao! Derao! Ho ela velona anie i Kleard!

Nisy mpitondra teny maromaro taorian’i Kleard; nankahery ireo olona natahotra izy ireo ary namerimberina ny tenin’i Kleard ihany.

Nisy antidahy iray, efa feno ketrona, fotsy volo sy volom-bava, nangataka fitenenana. Ny lohaliny efa mihovitrovitra noho ny taonany, ny tanany mangovitra, ny lamosiny mivokona. Ny feony mila tsy ho re, ny masony feno ranomaso.

– Anaka, – hoy izy latsa-dranomaso, – efa trotraka aho ary hody ho razana tsy ho ela, kanefa mihevitra aho fa tsy tokony hanaiky fanalam-baraka toy izao hianjady aminareo ianareo. Zato taona aho, ary nandritra ny androm-piainako manontolo dia tsy mba nisy tombo-kavatsa izany!… Nahoana ny mariky ny fanandevozana no hapetaka eo amin’ny handriko fotsy sy reraka ankehitriny?…

– Aoka izay izany ry ngahibe ah! hoy ny mpitari-draharaha.

– Aoka izay! – hoy koa ny hafa.

– Antidahy kanosa!

– Mampatahotra ny rehetra indray no ataony fa tsy mankahery ny tanora!

– Mba menatra amin’ity volonao efa fotsy! Efa ampy izay niainany izay, dia mbola matahotra ihany izy – isika tanora sahy kokoa…

– Aoka izay ny kanosa!

– Avoahy izy e!

– Aoka izay!

Fokonolona mahery fo tezitra, tanora tia tanindrazana niara-nidodododo teny amin’ity antidahy, nanosika, nisintona sy nandaka azy tamim-pahatezerana.

Navelan’izy ireo ihany izy ny farany noho ny taonany efa mandroso – raha tsy izany mety efa voatora-bato angamba.

Samy nanome toky izy rehetra fa ho sahy ny ampitso ka haneho ny fahamendrehan’izy ireo amin’ny voninahitra sy ny lazan’ny fireneny.

Samy niala ny fivoriana tamim-pilaminana ny olona. Nandeha ny resaka:

– Rahampitso no hahitantsika hoe iza no iza!

– Hosinganina rahampitso ny mpirehareha!

– Efa tonga ny fotoana hiavahan’ireo tena mendrika amin’ny tsy mendrika, tsy afaka ny hiseho ho mahery fo intsony ireo kanosa!

Niverina tao amin’ny ankany aho.

– Hitanao ve ny mampiavaka anay? – hoy ilay tompon-trano nanontany tamin’ny fireharehana.

– Tena hitako mihitsy, – hoy aho namaly ho azy, nahatsiaro tsy nisy hery intsony, nisy fahatsapana tsy azoazoko nameno ny lohako.

Tamin’iny andro iny ihany no nahitako tanaty gazety lahatsoratra toy izao:

– Ry vahoaka, fotoanany izao hanatsaharana ny fireharehana mamitaka sy ny bohy eto amintsika; fotoanany izao hanatsaharana ny fampiderana hevi-poana izay mampiseho ny toetra tsara sandoka. Tonga ny fotoana, ry vahoaka, hitsapana ny tenitsika ary hanehoana izay tena mendrika na tsia! Ary mino isika fa tsy misy kanosa mahamenatra eto anivontsika izay hoentina an-katerena eny amin’ny toerana fametahana tombo-kavatsa. Izay rehetra amintsika mahatsapa fa mikorina ao anatiny ny rà maherin’ny razantsika no hiady toerana ho voalohany hizaka ny fahoriana, amin’ny hafaliana sy fahanginana, ho amin’izany fijaliana masina izany, sorona hahasoa ny firenentsika sy fifanampiantsika tsirairay avy. Andeha, ry vahoaka, rahampitso ny fotoanan’ny fitsapana lehibe!…

Nandeha natory ilay tompon-trano vao vita ny fivoriana mba hahafahany tonga aloha eny amin’ny toerana hivoriana ny ampitson’iny. Maro rahateo no tonga dia namantana tany Tranopokonolona mba hanatonana ny fiandohan’ny filaharana.

Ny ampitson’iny dia mba nankany amin’ny Tranopokonolona koa aho. Teo daholo ny olona rehetra – tanora sy antitra, lahy sy vavy. Nisy reny sasany nitondra zaza teo an-trotroana hasiana ny mariky ny fanandevozana, izany dia mba hahazoany voninahitra, ary hahazoany toerana ambony kokoa amin’ny asam-panjakana.

Tosika sy fianihanana no tao (amin’izany izy ireo nanakaiky anay serbianina kokoa, faly amin’izay ihany aho), samy niezaka ny ho lohalaharana ny rehetra. Ny sasany moa misitona amin’ny vozona mihitsy.

Mpiasam-panjakana iray manao akanjo bolozy mihaja fotsy no mametaka ny tombo-kavatsa. Mimenomenona ireto vahoaka be izy:

– Aza mandreondreona moa e, tahin’Andriamanitra, samy hanana ny anjarany av – tsy biby ianareo akory, mino aho fa afaka milahatra tsy mifanosika.

Nanomboka ny fametahana tombo-kavatsa. Nisy ny nitomany, tao ny nisento, samy afaka niaritra azy avokoa anefa ny rehetra, tsy nikiakiaka, nandritra ny nijanonako teo.

Tsy afaka nanatrika io fampijaliana io intsony aho, ka niverina tany amin’ny akany, ny sasany tamin’izy ireo efa tao , nihinana sy nisotro.

– Vita izay iny! – hoy ny iray.

– Tsy tena nikiakiaka akory isika, fa i Talb no nitabataba toy ny ampondra!… – hoy ny iray hafa.

– Hitanao izay ny toetran’i Talb, izay ianao dia te hisafidy azy ho mpitari-draharaha tamin’ny fivoriana omaly.

– Ah, tsy hay anie izany e!

Nitafatafa teo ry zareo, nisento noho ny fanaintainana, kanefa samy niezaka ny nanafina izany tamin’ny hafa, samy menatra ny hoheverina ho kanosa daholo.

Kleard aza nanala baraka ny tenany, satria nisento izy, ary lehilahy iray antsoina hoe Lear no lasa mahery fo satria nangataka ny hananana tombo-kavatsa roa amin’ny handrina izy ary tsy mba nitaraina. Ny tanàna iray manontolo niresaka azy sy nankalaza azy.

Nisy ny nitsoaka, kanefa namavoan’ny olona.

Andro vitsivitsy taty aoriana dia nanao fandeha fihebohebo sy fireharehana ilay nanana tombo-kavatsa roa. Feno laza sy havonavonana izy na aiza na aiza alehany, ny olona rehetra niankohoka sy nanala satroka ho fanajana ity mahery fo vaovao.

Lehilahy, vehivavy, ankizy nihazakazaka nanenjika azy mba hijery ny lehilahy maherin’ny firenena. Amin’izay rehetra alehany dia mandeha ny bitsibitsika feno fahabanjinana: “Lear, Lear!… Izy iny!… Izy no mahery fo tsy nidradradradra, tsy nahaloaka feo tamin’ny fametahana ny tombo-kavatsa roa teo amin’ny handriny!”. Nameno ny gazety ny anarany, feno laza sy voninahitra.

Ary mendrika ny fitiavan’ny vahoaka izy.

Nameno ny toerana ny lazany, nanomboka nahatsiaro ilay ra serbiana antitra sy feno haja mikoriana ato anatiko aho, Ny razambentsika dia mahery fo, nohombohina sy niharitra tsatoka ho an’ny fahalalalahana; isika koa dia manana ny lasantsika feno fahasahiana sy ny Kosovo. Nangitakitaka ery noho ny fireharehana, maika haneho ny fahasahian’ny fiaviako, hihazakazaka sy hikiakiaka hoe:

– Fa maninona ianareo no midera an’i Lear?… Tsy mbola nahita mahery fo angaha ianareo! Avia hijery izany ra serbianina manan-kaja izany! Asio tombo-kavatsa folo ny lohako, tsy ampy raha roa fotsiny!

Nitondra ny fitomboka teo amin’ny lohako ilay mpanompo manao akanjo fotsy, dia nanomboka… taitra aho tamin’iny nofy ratsy iny.

Tora-kovitra aho raha nitsapa ny handriko, nanontany tena ny momba iny zava-nitranga tanaty nofy iny aho.

– Efa nila hanarona ny lazan’i Lear aho, – hoy aho an’eritreritra, afa-po sady niorirana kely, somary kivy ihany tsy nahita ny faran’ilay nofy.

 

Tany Belgrade, 1899.
Ho an’ny tetikasa “Radoje Domanović” nadikan’i Domoina Radaniela Andrianoro, 2020.

 

Ny eritreritr’omby serbianina tsotra

Tsy ny zava-mahagaga no tsy ampy amin’ity tany midadasika ity, ary ny tanitsika hoy ny maro dia feno zava-mahatalanjona hany ka maro no tsy mahagaga intsony. Misy olona eto manana anjara toerana tena ambony kanefa tsy mba mieritreritra, ary ho tambin’izay, na mety ho antony hafa, dia nisy omby tsotra ira, mitovy amin’ny omby serbianina rehetra ihany, nanomboka naka saina. Andriamanitra mahalala ny zava-nitranga nahatonga ity biby ity ho sahy hiditra amin’izany tontolon’ny fieritreretana izany, indrindra nony nahafantarana fa any Serbia dia mety hitondra loza izany fieritreretana izany. Azo lazaina izany fa ity devoly kely ity, tao anatin’ny fahatokisany tafahoatra, dia tsy nihevitra fa tsy mitondra soa izany ataony izany ao amin’ny taniny. Tsy hahazoany voninahitra izany na dia kely varaventy aza. Kanefa mbola mistery hatrany ny nahatonga ity omby ity handinika kanefa izy tsy mpifidy akory, na mpanolo-tsaina, na governora, na voafidy ho mpisolo tena ny fikambanan’ny omby, na koa (raha efa nahazoazo taona izy) solombavam-bahoaka. Ary raha mba nanofy ho lasa ministra ao amin’ny tanin’ny omby hono ity farany, tokony ho fantany ihany anefa fa mifanohitra amin’izay no tokony hataony, tsy mieritreritra, toy ireny ministra andrarezina any amin’ny tany miadana noho ny antsika ireny. Eny e, inona rahateo moa no hiraharahiantsika ny nahatonga ity omby serbianina ity hanomboka zavatra efa nolaozanin’ny olona? Ary koa, mety nanomboka nieritreritra izy noho ny fahendrena izay efa ananany.

Karazan’omby inona ara izy ity? Ny omby tsotra, araka ny fampahafantaran’ny manampahaizana momba ny biby, dia manana loha, vatana sy rantsana, toy ny omby rehetra; mitarika sarety izy, mihinana bozaka, milelaka sira, mitsakotsako ary mitrena. Ny anarany dia Ilavenona.

Toy izao no niatombohany. Indray andro ny tompony nanisy zioga azy sy ilay namany, Ilaimainty, nampiakatra vatan-kazo nangalarina tao anaty sarety ary nitondra azy ireo tany an-tanàna hovarotana. Injay vao tafiditra ny tanàna izy ireo dia namidiny ny hazo ary nalany ny ziogan’Ilavenona sy Ilaimainty, nafatony tamin’ny rojo izy ireo ary nanipazany akofa, avy eo izy niditra trano fisotroana mba hiala hetaheta. Nisy fety tao an-tanàna tamin’izay fotoana izay, nisy lehilahy, vehivavy ary ankizy nivezivezy nanodidina. Ilaimainty, izay fantatry ny maro fa moana, tsy nijery mihitsy, fa variana nisakafo, nihinana nameno kibo, naka fahafinaretana nitrena, ary nitsotsotra sady nitsakotsako.Tsy nisy nahatsikaritra azy akory ireo olona rehetra nandalo. Natoritory teo izy teo am-pitsakoana, miadana ery (indrisy mantsy fa tsy mba olombelona izy na dia nanana izany fikasan’asa izany aza). Ilavenona kosa tsy nahahinana mihitsy. Ny masony manonofy sy ny endriny malahelo maneho fa mpisaina lavitra izy, ary manana fanahy malefaka. Vahoaka maro, serbianina, nandalo azy, nirehareha ny amin’ny lasany be voninahitra, ny anarany, ny tanindrazany, ary tsikaritra izany amin’ny fihetsiny hentitra sy ny fandehany. Voadinik’Ilavenona avokoa izany rehetra izany, ary toa voatsindrin’alahelo sy fahoriana mafy izany izy noho ny tsy rariny hitany, ary latsaka tampoka tanatin’ny fihetseham-po lalina dia lalina izy; nitrena tamin’alahelo izy, feno fahoriana, latsa-dranomaso. Ary tanatin’izany alahelo izany dia lasa fisainana izy:

— Inona ara no ireharehan’ny tompoko sy ireo mpiray tanindrazana serbianina aminy? Maninona izy ireo no avo loha ary manao fijery ambany feno avonavona ny toa ahy? Mirehareha ny amin’ny tanindrazany izy ireo, faly fa nitsiky taminy ny anjara ka teraka taty Serbia izy ireo. Izaho koa dia mba nateraky ny reniko teto Serbia, ary i Serbia dia tsy firenenko ihany fa an’ny raiko koa, sy ny razako rehetra, toy ny azy ireo, izahay rehetra dia samy avy tamin’ity tany ity ihany. Kanefa tsy mba misy aminay omby nahatsiaro manan-kaja ny amin’izany, ny hahafahanay mitondra enta-mavesatra eny am-piakarana ihany no hireharehanay; ary hatramin’izao, dia tsy mba nisy omby nilaza tamina omby alema hoe: “inona no tadiavinao amiko, izaho izay omby serbianina, ny tanindrazako dia ny tany serbianina, ny razambeko rehetra dia teraka teto, ary eto amin’ity tany ity no misy ny fasan’ny razanay.” Voararan’Andriamanitra, tsy mba nirehareha tamin’izany izahay, tsy mba nandalo ny eritreritray akory, kanefa izy ireo dia faly amin’izany. Olona hafahafa!

Lasan’eritreritra teo izy ka nanifikifika ny lohany sady nalahelo, naneno ny lakolosy teo amin’ny tendany ary nitresaka ilay zioga. Gaga Ilaimainty nijery ity namany:

– Io indray ianao sy ny adalanao! Mihinana, ry tsisy saina, mitomboa tavy, jereo ny tehezanao fa mivoaka avokoa; raha tsara ny mandinika, dia tsy ny omby mihitsy no hanao izany fa ny olombelona. Tsy mba nanana anjara tamin’izany isika!

Nijery ity namany Ilavenona sady niantra azy, nangarika izy ary niverina tamin’ny eritreriny.

– Mirehareha mafy izy ny amin’ny lasany feno voninahitra. Azy ny tanin’ny Kosovo, adin’ny Kosovo. Ah, odry, angaha moa tsy ny razambeko no nitarika ny sarety nisy ny sakafo sy ny fiadiana tamin’izany? Raha tsy nisy anay, dia ny olombelona no voatery hanao izany. Avy eo nisy ny tolona natao tamin’ny Tiorka. Ady lehibe, henin-kaja, henim-boninahitra, kanefa iza no tany tamin’izany? Ireto adala be sehoseho ireto, midoka tena eto alohako toy ny hoe izy no niady tamin’izany, iza no nitarika ny fikomiana? Indro, raiso ho ohatra ny tompoko. Izy koa dia midoka tena ery ny amin’ny fikomiana, indrindra satria ny dadan’ny raibeny lavo tanatin’ny tolom-pahafahana toy ny mahery fo. Ka ny tompoko ve no mendrika fiderana? Ny razambeny no afaka mirehareha, fa tsy izy; ny razambe no lavo mba hahafaka ny tompoko, izay taranany. Ka indro izy olona afaka, ahoana ary no ampiasainy ny fahafahany?  Mangalatra ny hazon’olona izy, mipetraka ambony sarety, ary izaho no tsy maintsy mitarika azy sy ny hazony, izy kosa matory tsara. Izao izy nahalafo ny hazo ka misotro taoka, tsy manao na inona na inona kanefa mirehareha amin’ny lazan’ny lasa. Ary firy amin’ireo razambeko moa no novonoina ho faty tamin’ny fikomiana mba hamokisana ny mpiady? Ary tsy ny razambeko ve moa no tamin’izany no nitarika ny basy fiadiana, ny tafondro, ny sakafo sy ny bala? Izahay kosa anefa tsy mba midera tena amin’ny vitan’ireo satria tsy mba nisy fiovana ny fiainanay; izay ihany no ataonay ankehitriny, toy ireo razambenay, am-paharetana sy amin’ny fikaliana feno.

Faly ery ry zareo amin’ny fahorian’ny razambeny sy ny fanandevozana nandritra ny diman-jato taona. Izaho sy ny havako kosa nijaly nandritra ny fisinay manontolo, ary ankehitriny dia mbola miaina fahoriana sy fanandevozana hatrany izahay, tsy mba mitabataba ny amin’izany anefa izahay. Hoy ireo hoe nampijaly, namono ho faty ary nanombo azy ireo ny Tiorka; hay, ny razambeko novonoin’ny Tiorka sy ny Serbianina koa, nohanina sy nanaovana ny fampijaliana sy habibiana rehetra izao.

Mirehareha amin’ny fivavahany izy, kanefa zara raha mino. Inona no hadisoako sy ireo mitovy amiko no tsy mba azo ekena ho Kristiana izahay? Ny fivavahany milaza hoe “aza mangalatra”, jereo anefa ny tompoko mangalatra, sy misotro amin’ny vola azo avy tamin’ny halatra. Ny fivavahany mampianatra azy hitia ny mpiara-belona aminy, indro anefa izy ireo mifamono. Aminy, ny olona mendrika indrindra, ilay fitaratra halain-tahaka noho ny hatsaran-toetrany, dia ilay tsy mba manafitohina ny hafa, mazava ho azy fa tsy mba mandalo ny sain’izy ireo akory ny hoe hanao soa ny hafa ho fanampin’ny tsy fanafitohinana azy ireo. Hita tokoa ny fahambanian’ny toe-tsainany satria aminy ny fahamendrehana dia tsy misy afa-tsy ny tsy mandratra ny hafa fotsiny ihany.

Nisento lalina ilay omby, ary nitraka ny maso nandao ny vovoky ny lalana.

– Dia – nanohy ny dinidinika nanjombona ihany ilay omby – tamin’ity indray mitoraka ity kosa, tsy izaho sy ny mitovy amiko ve no tsara mihoatra lavitra azy ireo? Tsy mba namono olona aho, tsy mba nanaratsy olona, tsy mba nangalatra, na nandroaka olona tsy manan-tsiny tamin’ny raharaham-panjakana, tsy mba nanary ny volam-panjakana, tsy mba nisandoka bankirompitra, tsy mba namatotra na nampigadra olona tsy manan-tsiny, tsy mba nanendrikendrika ny namako, tsy mba nanohitra ny fitsipiky ny omby, tsy mba nanao fijoroana vavolombelona diso, tsy mba ministra ary tsy mba nanafitohina ny firenena, ary tsy hoe tsy nanao ratsy ihany aho, fa nanao soa tamin’ireo izay nanafitohina ahy koa. Ny reniko niteraka ahy, teo no eo dia nisy lehilahy maro naka ny nonon-dreniko izay tokony ho ahy. Mba nomen’Andriamanitra anay omby aza ny bozaka, fa tsy ho an’ny olona, dia mbola nanaisotra izany taminay ihany izy. Ary na dia teo aza ny kapoka maro samy hafa dia mbola nitarika ny saretin-draolombelona ihany izahay, niasa ny taniny ary nanome azy mofo hohanina. Tsy mba nisy nankasitraka anay tamin’izay nataonay…

– Na mifady hanina ohatra; eny e, ho an’olombelona dia ny fivavahana efa milaza ny fifadiana amin’ny andro fety, dia mbola tsy vonona ny hanao izay sorona kely izay ihany izy ireo, kanefa izaho sy ny namako nifady nandritra ny fiainanay manontolo, hatramin’ny nanasarahana anay tamin’ny nonon-dreny.

Niondrika toy ny feno fanahiana ilay omby, avy eo nitraka indray, nifofofofona teo toy ny nisy zavatra manan-danja be tsaroany tampoka, tsy nampandry ny sainy; tampoka teo, nitrena tam-pifaliana izy:

– Ahhh, fantako amin’izay, – hoy izy nieritreritra teo ihany, – izay no izy; mirehareha izy ireo satria manana zo amin’ny maha olom-pirenena sy olona afaka. Mila mandinika lalina kokoa aho.

Nieritreritra, nieritreritra teo ihany izy fa tsy nahity valiny.

– Inona ara izany zony izany? Raha teren’ny mpitandro filaminana hifidy izy, dia mifidy, izahay koa afaka manao toy izany, mitrena mafy hoe “tohanako!”. Ary raha tsy noterena izy, tsy nahasahy nifidy, na dia niditra tanaty politika akory aza, toa anay ihany. Izy ireo koa niaritra kapoka tany am-pigadrana, na dia tsy manan-tsiny aza. Izahay kosa mba mitrena sy manetsika ny rambonay, izy anefa tsy mba anana izany fahasahiana izany akory.

Tamin’izay fotoana izay, nivoaka avy tao amin’ny trano fisotroana ny tompony. Mamo, niraikiraiky, miteniteny foana, niezaka nanatona ilay sarety.

– Jereo kely ange ny fampiasan’ity taranaka mpirehareha ny fahafahana azony avy tamin’ny ran’ny razambeny ity e! Eny ara, ny tompoko dia mamolava sady mpangalatra, ahoana kosa no ampiasain’ny hafa ny fahafahany? Malaina fotsiny, dia maka ny deran’ny lasa sy ny mendrika tokony ho an’ny razambeny, kanefa izy zara raha nandray anjara tamin’izany toa ahy ihany. Ary izahay omby kosa, manao ny asa mafy hatrany, mpiasa mavitrika toy ireo razambenay ihany. omby izahay, kanefa afaka mirehareha amin’ny asa mafy vitanay sy ny fahamendrehanay ankehitriny.

Nisento lalina ilay omby ary naninjitra ny tendany hitondra ny zioga izy.

 

Tany Belgrade, 1902.
Ho an’ny tetikasa “Radoje Domanović” nadikan’i Domoina Radaniela Andrianoro, 2020.